Alarobia 4 Jona 2025

Ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino ; fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana… Kristy, Izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra. 1 Korintiana 1:21-24

 

Ny fahadalan’ny fitorian-teny

Vao avy notorina ny Filazantsara ; nivoaka ny efitrano ilay mpitoriteny, no nanatona azy ny mpihaino iray, niteny taminy hoe :

— Manaja ny faharesen-dahatrao sy ny fahitsianao aho, saingy tsy inona fa fahadalana rano fotsiny ny Filazantsara torinao.

— Tena marina ny hevitrao. Izany indrindra no lazain’Andriamanitra, Izy tenany mihitsy, ao amin’ny Baiboly.

— Mivazivazy ianao, ny Baiboly dia tsy afaka hiteny zavatra iray sy ny mifanohitra amin’izany.

— Arakaraka izay olona iantefan’ilay teny ! Henoy ange : izaho miara-mamaky aminao ity teny ao amin’ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Korintiana ity : „Ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena” (1:18). Hitanao, ny Tenin’Andriamanitra dia tahaka tara-pahazavana madio, maranitra, izay mahatratra ny ao anatintsika. Ao am-poko izy dia hery mitondra aina sy hazavana, ary ao am-ponao dia fahadalana. Fahazavan’Andriamanitra iray ihany no miasa, nefa eo amina mpandray roa samy hafa. Izany dia ahafahana manamarina raha manana fifandraisana tena izy amin’Andriamanitra isika na tsia. Fanontaniana fototra, ilaina alamina maika, satria tsy tompon’ny ampitso isika… Fa mbola misy teny anampiko, ry namana : tia anao Andriamanitra, vakio manokana ny Filazantsara nosoratan’i Jaona. Dia lasa nandeha ilay mpitoriteny ; nefa nosakanan’ilay niresaka taminy :

— Mino ve ianao fa tia ny olona rehetra Andriamanitra ?

— Mbola te hiara-mamaky aminao andinin-tSoratra Masina iray aho, ao amin’ny filazantsaran’i Jaona indrindra, hoe : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).