Alakamisy 5 Jona 2025

Kristy Jesosy, Izay olona… nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra. 1 Timoty 2:5-6

Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo, ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro. Matio 20:28

 

Manolotra ny ainy (1)

Mety hahavery hevitra ireo teny roa voatanisa eo ambony ireo : Jesosy ve nanolotra ny ainy ho an’ny olona rehetra ? sa ho ana olona maro fotsiny ?

Indraindray, ao amin’ny Baiboly, misy teny ohatra ny mifanohitra ; nefa takatra ny heviny rehefa dinihina ny teny samihafa ampiasaina ao amin’ny teny grika fototra. Eto, ny teny voalohany „hisolo” dia midika hoe „ho tombontsoan’” ; ka amin’izany dia maty ho an’ny olona rehetra tokoa Kristy. Ny teny „hisolo” faharoa kosa dia midika hoe „naka ny toeran’” ; maty Izy satria naka ny toeran’ny olona maro, izany hoe ny toeran’ireo izay mino Azy, fa tsy ny toeran’ny olona rehetra tsy akory.

Nanolotra an-tsitrapo ny ainy i Kristy, mba ho sorona hamafana ny faniratsirana natao an’Andriamanitra, noho ny fahotantsika : „Ny fitiavana… nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahina, hamonjy antsika” (Efesiana 5:2). Dia sitrak’Andriamanitra ny hamonjena ny olona rehetra, ary ny Filazantsara dia „herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino (tsy hiharan’ny fitsarana mandrakizay)” (Romana 1:16).

Natao ho an’iza moa io famonjena io ? Ho an’izay mahatsapa fa very sy meloka eo anatrehan’Andriamanitra.

Raha mahatsapa fa izany ianao, dia manatòna an’i Jesosy, minoa ny fitiavany, izay nahatonga Azy niantsoroka manontolo ny andraikitra maha mpanota anao eo anatrehan’Andriamanitra. Teo amin’ny hazofijaliana no nandaminany ny momba izany, tamin’ny nijaliany sy nahafatesany ho anao. Tsy voafafa ny trosantsika raha tsy nefaina, satria nitaky izany ny fahamarinan’Andriamanitra, ka ny sorona nataon’ny Zanany no sarany. Izay miaiky izany dia mitsaoka, ary mahazo maimaimpoana io famonjena io. Anisan’„ny maro” izy.

(hitohy)