Alakamisy 2 Septambra 2027
Ny Tompo nitsangana teo anilany (anilan’i Paoly) … ka nanao hoe : Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa. Asan’ny Apostoly 23:11
Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mitantara amintsika zava-nitranga tao amina fitsarana iray nanaovan’ny apostoly Paoly lahateny. Noho ny teniny dia nisy antokom-pivavahana jiosy roa nifanohitra : ny Fariseo sy ny Sadoseo. Koa nambaran’i Paoly fa tsy fifanarahan-kevitra lalina eo amin’ireo antoko roa ireo no antony iampangana azy. Vokatr’izany dia nisy fihetsiketsehana be sy korontana maro niseho, hany ka voatery ny miaramila romana nanaisotra an’i Paoly mba tsy hifandroritan’ny olona. Dia nentin’izy ireo tany anatirova izy, handany ny alina ao anaty efitranomaizina kely iray.
Ahoana ny fihetsehampony, izy irery tao, taorianan’io tontolo andro feno fihenjanana sy faharerahan-tsaina io ? Tsy miresaka izany amintsika ny Baiboly. Nefa tampoka teo i Paoly dia nahare ny feon’ny Tompony niteny taminy. Henony ny Teny fampaherezana sy fampiononana azy (andinin-tSoratra Masina androany). Tsy nanome tsiny azy ny Tompo, fa mifanohitra amin’izany aza, nampahatsiahy azy tan-kamorampo ny nijoroany ho vavolombelon’ny Tompony. Niresaka taminy tsy nisy mpanelanelana Jesosy.
Ankehitriny Jesosy dia mbola te hiresaka amintsika. Indraindray Izy miteny amintsika mivantana, nisy olona niaina izany, na amin’ny alalana kristiana iray. Miteny amintsika ihany koa Izy, indrindra amin’ny alalan’ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatin’ny fontsika, amin’ny alalan’ny Fanahiny. Miteny amintsika amin’io Teny voasoratra io Izy, toy ny hoe eo mihitsy. Ndao hifampahery hamaky ny Baiboly. Mila izany avokoa isika, na mandalo fotoan-tsarotra na tsia.
(hitohy)