Zoma 3 Septambra 2027
Nisy anjelin’Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina ka nanao hoe : Aza matahotra, ry Paoly ; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’i Kaisara ianao ; ary indro, efa nomen’Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao. Asan’ny Apostoly 27:23-24
Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mitantara ny dia farany nataon’ny apostoly Paoly, avy tany Jerosalema hankany Roma. Feno trangan-javatra tsy nampoizina io dia lava io, indrindra tamin’ny famakivakiana ny ranomasina Mediteranea. Tsy nisy nandeha araka ny nantenain’ny mpanamory ny sambo ny zava-nitranga. Nisedra tafiotra mahery ny sambo sy ny tantsambo tao aminy, ary nandritra ny efatra ambinifolo andro dia tsy nahita masoandro na kintana, ka nanjary resy lahatra mihitsy fa ho rendrika sy ho faty an-dranomasina. Tamin’ny iray amin’ireo alina ireo no nisy anjelin’Andriamanitra niteny tamin’i Paoly, mba hampahery sy hanome toky azy. Nampahafantariny azy fa ho rendrika ny sambo, nefa tsy hisy haninona fa ho avotra soa aman-tsara izy rehetra. Efa nalahatr’Andriamanitra mialoha ny hankanesan’i Paoly any Roma, mba hiseho eo anatrehan’i Kaisara, ary tsy maintsy ho tanteraka ny sitrapony.
Tsy Andriamanitra mivantana na Jesosy no niresaka tamin’i Paoly teto, fa iray amin’ireo iraka nalefany. Ny anjely dia zavaboary any an-danitra, manompo an’Andriamanitra, irahina ho etỳ an-tany mba hanasoa ny olombelona, ao anatin’ny zava-tsarotra iainan’izy ireo. Afaka mitondra hafatra avy amin’Andriamanitra izy ireo, amin’ny alalana nofy na fahitana, ary mitarika ny olona hanatanteraka ny sitrapony. Mpanompo eo ampelatanan’Andriamanitra izy ireo, hiaro ny mpino, hanafaka azy ireo, izay matetika tsy mahatsapa izany akory. „Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena ?” (Hebreo 1:14). Rehefa miatrika olana isika eo amin’ny fiainantsika, dia tsy avelan’Andriamanitra ho irery ; tiany mandrakariva ny hampahery sy hanafaka antsika, matetika amina fomba mahatalanjona antsika.
(hitohy)