Asabotsy 4 Septambra 2027

Omeo toky ny malemy saina ; ampaherezo ny reraka ; mandefera amin’ny olona rehetra. 1 Tesaloniana 5:14

Izany dia ny mba hiarahako hampirisihina aminareo amin’ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy. Romana 1:12

 

Mampahery antsika Andriamanitra : amin’ny alalan’ny mpino (3)

Tsara vakina : Asan’ny Apostoly 28:1-16

Namarana ny diany feno loza nanambana ny apostoly Paoly, avy tany Jerosalema hankany Roma, mba hijoro eo anatrehan’ny amperora. Taorianan’ny fiatoana tao amin’ny nosy Malta izy dia nanatona ny renivohitry ny fanjakambe romana, avy any atsimon’i Italia. Afaka tamin’ireo fahavalo nikasa hamono azy tany Jerosalema izy ; avy eo tamin’ny faharendrehan-tsambo, rehefa niampita ny ranomasina Mediteranea ; ary farany, tamin’ny kaikitra menarana mahafaty, tany Malta. Ankehitriny, manakaiky ny faran’ny diany, ary fantany fa tsy maintsy hijoro ho vavolombelon’ny finoany any Roma ihany koa izy (Asan’ny Apostoly 23:11). Nahare ny nanjo an’i Paoly ny rahalahy, izany hoe ny mpino anisan’ireo kristiana voalohany, ka tonga nitsena azy. Nony nahita azy ireo i Paoly dia nitombo hery sy nisaotra an’Andriamanitra.

Fifaliana lehibe mandrakariva ny mihaona amina mpino miombom-pinoana amintsika. Any amina faritra na firenena sambany tsidihintsika isika, tsy mahalala an’iza na iza, no mifanena amina rahalahy na anabavy ao amin’ny Kristy. Rehefa mahatsapa izay rehetra iombonantsika isika dia feno hafaliam-be, na tsy afaka mifanakalo firy aza indraindray, satria samy hafa fiteny. Iray ny Mpamonjintsika, iray ny finoantsika, iray ny fanantenantsika. Noho izany ny mpino tsirairay dia afaka mampahery ny hafa. Isaorantsika ny Tompo, Izay matetika mamela hisy ireny fifanenana mitondra soa ireny. Amin’ny fotoana fialan-tsasatra, ohatra, ndao hikatsaka hifandray amina rahalahy sy anabavy kristiana. Angamba Andriamanitra hampiasa antsika ho loharano fampaherezana ireo izay mila izany.

(tapitra)