Alahady 5 Septambra 2027

Mampiboiboika teny tsara ny foko ; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko ; fanoratan’ny faingan-tsoratra ny lelako. Salamo 45:2

 

Ny fiderantsika

Ny fiderana ataon’ny kristiana dia ambara amina vavaka sy hira. Avy ao amin’ny fo izany, ary tonga ho azy. Vonona hiboiboika. Ny kristiana feno fanoloran-tena izay tia an’i Jesosy dia miredareda fo mba ho Azy. Afaka mizara izay fantany momba Azy izy : „Hilaza ny mpanjaka no teny ataoko”. Tsy mianina fotsiny amin’izay voarainy tamin’i Jesosy izy, fa manambara hoe iza Izy, ho azy.

Tamina fitsidihan’i Jesosy tany Betania tao an-tranony, i Maria dia nipetraka teo an-tongony sy nihaino ny teniny (Lioka 10:39). Nianatra taminy izy, nihaino tsara, ary tatỳ aoriana, tamina fotoana iray hafa, dia hitantsika namaky tavoara feno zava-manitra sarobidy, ka nandraraka izany tamin’ny Tompo (Jaona 12:3). Ny zava-manitra dia miresaka fitsaohana amintsika, atolotra an’i Jesosy toy ny ahafahantsika ankehitriny manolotra ho Azy ny vavaka sy fideràntsika. Mendrika izany fitsaohana izany ny Tompo. Nitia antsika hatramin’ny fahafatesana Izy, ary ho setrin’izany, dia mitady fitiavana marina avy ao am-pontsika.

Rehefa miboiboika fitiavana ny Kristy ny foko, dia mora amiko ny miresaka Azy sy midera Azy. „Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava” (Matio 12:34). Toy ny penin’olona manoratra tsy misy manery sy misosa ny lelako.

Ry kristiana, afaka mifampahery isika, handalina ny fiombonantsika amin’i Jesosy, mba ho feno Azy ny fotoam-piderantsika, fa tsy ho feno antsika. „Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany (amin’ny alalan’i Jesosy) ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany” (Hebreo 13:15).