Alakamisy 9 Septambra 2027

Ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy ; fa Jehovah kosa no mandray ahy. Salamo 27:10

 

Raha misy Ianao, dia ovay ny fiainako (2)

Novakintsika omaly hoe nijoro ho vavolombelona i Alexis, niantso an’Andriamanitra tao anatin’ny fahoriany. Hoy izy manohy :

„Nanambady aho, ary indray andro dia nisy havan’ny vadiko nanasa ahy hanatrika fivoriana kristiana. Hitako hoe tsara aoka izany ireo hira, nefa noheveriko ho tsy azo antenaina loatra ireo fijoroana ho vavolombelona : ny iray fanafahana tamin’ny zava-mahadomelina, iray hafa fahasitranana ! Avy eo dia nisy lehilahy iray namaky Teny ao amin’ny Baiboly, ary nitaona hanangan-tanana ireo rehetra te hanjary ho kristiana. Tsy nihetsika aho, nefa rehefa tafaody tany an-trano, dia niteny tamin’Andriamanitra hoe : „Raha marina fa velona Ianao, izany fiainana noresahin’izy ireo izany dia mba tiako hiainana !” Dia naniry mafy hamaky ny Baiboly aho. Novakiko inefatra misesy. Hoy aho anakampo : „Tsy maintsy hahitako fahadisoana ato e !” Nefa dia Olona feno fitiavana no hitako : Jesosy Kristy, Izay tonga hanolo-tanana antsika. Namonjy ahy ny tanany.

Talohan’ny hanaovana batisa ahy dia nahatakatra aho fa tokony hiezaka handravona ny olako amin’ny raiko. Tsy mora ny nandeha nanatona azy, efa 12 taona tsy hitako. Niantso mafy ny Tompo aho, ary nitondra taratasy kely ho an’ny raiko, nilazako taminy hoe : „Tonga hitady anao aho. Tonga mba handravona ireo zava-tsarotra ; nifanena tamin’Andriamanitra aho, ary nanova ny fiainako Izy”. Nefa tsy nety nandray ahy izy. Herinandro taorianan’izany aho dia naharay taratasy masiaka be avy taminy. Nahagaga, fa tsy dia nankarary ahy akory ny namaky izany ; ny hany faniriako dia ny hamaly azy amin’ny fitiavana napetrak’Andriamanitra ato am-poko.

Mandraka izao ny raiko dia mbola tsy te hamitrana fihavanana amiko ihany ; nefa manana Ray any an-danitra aho. Nanova ny fiainako Izy, ary mikarakara ahy isanandro.”

Alexis (tapitra)