Zoma 10 Septambra 2027

Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Lioka 15:20

 

Tompo ô, mihazakazaka manatona Anao aho

Nandeha lavitra izaitsizy aho, tanaty lohasaha maizina. Tonga izao ny andro iverenako aminao. Nandeha lalan-kafa maro aho, nania. Tonga izao ny andro iverenako aminao.

 

Mihazakazaka manatona Anao aho, Fenon’ny fifalianao. Eto aho, ry Tompoko, Te hanaraka ny dianao, Ny feonao no hitondra ahy, Ny Fanahinao no hitarika ahy, Te hitoetra eo anilanao aho.

 

Lasa ny hazavana, ary nahatratra ahy ny alina. Fotoana izao hiverenako aminao. Nahatsiaro ho irery ny foko, ary nirotsaka ny ranomasoko. Fotoana izao hiverenako aminao.

 

Na nandratra Azy aza aho, na nanadino Azy aza, Dia miara-dalana amiko Izy, tsy mandao ahy. Raha mihaino am-panginana aho, dia mahatsapa fa eo Izy, Mibitsika mora ny anarako, mamela heloka ahy.
Araka ny Association Silo

Ao amin’ny tantaran’ilay raim-pianakaviana sy ny zanany roa lahy (Lioka 15) dia nihazakazaka ilay ray nitsena ny zanany, izay niverina taminy. Sary mampihetsi-po izany ! maneho an’Andriamanitra maika handray antsika, sy ny hamehany feno fitiavana hamihina antsika eo an-tsandriny, rehefa miverina aminy isika.