Asabotsy 11 Septambra 2027
Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. Jaona 20:20
Fa hoy Izy : „Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. Hebreo 13:5
Amin’izao vanimpotoanan’ny kajimirindra izao dia maro sy mora raisina kokoa hatrany ny fitaovan-tserasera ; ary nanjary hay atao ny mifandray aman’olona, amin’ny fotoana rehetra ary na aiza na aiza. Vao mainka mihamaro anefa ny olona milaza ho mijaly satria manirery. Ahoana no hiadiana amin’izany ? Ireto misy fijoroana ho vavolombelona roa mampahery :
— „Jesosy no Olona hany afaka ifaneraserako, na inona na inona mitranga”, hoy ity vehivavy mananotena iray. „Takany tanteraka ny manjo ahy. Sarotra amiko indraindray ny mamboraka aminy ireo tsipiriany bitika indrindra eo amin’ny fiainako. Nefa ny zava-niainako dia nanaporofo miharihary fa mikarakara ahy mandrakariva Izy.”
— Lehilahy iray malemy, tsy afa-mihetsika eo am-pandriana, no nanoratra hoe : „Kristy no nahatonga ahy ho afaka manaiky ny fijaliana, tsy misy otri-po, na fangidiana, na hasorenana. Nesoriny ireo fihetseham-po ireo, ary nosoloiny fiadanana, fifaliana, ary fahatalanjonana, rehefa nahatsapa aho fa manirery. Na mandry eo am-pandriana aza aho dia tsy mifantoka amiko intsony ny eritreritro, satria maro aoka izany ny zavatra tokony hatao ho an’ny Kristy.”
Ny Tompo dia tsy nampanantena fiainana tsy misy olana amin’ny olona mitoky aminy. Nefa satria eo Izy dia voavaly ny filana lalina tsy ho irery, filana iankinan’aina ao amin’ny olona tsirairay. Matetika rehefa fadiranovana isika no mitady ao amin’i Jesosy irery ny fahasambarantsika. Ny fifaliana sy fiadanana omen’Andriamanitra dia tsy miankina amin’ny toejavatra iainantsika, fa omena antsika lalandava. „Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ny fiadanana tanteraka (ao amina fiadanana lavorary), satria matoky Anao izy” (Isaia 26:3).