Alarobia 15 Septambra 2027

Mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. 2 Petera 3:18

Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany, mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy. Filipiana 1:6

 

Mitombo ara-panahy (1)

Rehefa manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjintsika isika, dia mandray aim-baovao, ny ain’Andriamanitra. „Nateraka indray” isika (Jaona 3:3), manjary „zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Andriamanitra no Raintsika. Isika àry ve hijanona eo amin’ny toetrana zaza vao teraka, ao amin’ny finoana ? hianina amin’ny fahafantarana fa efa vonona ny toerantsika any an-danitra ? Ny zaza tsy mitombo vatana sy saina dia hiteraka adin-tsaina tsy ho ela ho an’ny olona akaiky azy. Eo amin’ny lafiny ara-panahy, isika ihany koa dia mila mitombo, mba hanjary „olon-dehibe”. Ahoana ny fandehan’izany fitomboana izany ?

Tsy misy ataon’ny ray aman-dreny tia ambanin-javatra ny hahatsara fitombo ny zanany ; dia toy izany koa : apetrak’Ilay Raintsika any an-danitra eo ampelatanantsika izay rehetra ilaintsika ! Tiany hanahaka bebe kokoa mandrakariva an’i Jesosy Kristy Zanany isika, eo amin’ny toetrany feno fitiavana, hatsaram-po, fiantrana, faharetana, nefa ihany koa fahamasinana, fahitsiana ary fahamarinana. Ho amin’izany dia miasa tsy mitsahatra ao anatin’ny fontsika Izy (Soratra Masina androany). Mampiasa fitaovam-panofanana maro Izy : ny Baiboly, izay anambaràny amintsika hoe iza moa Jesosy ary inona no andrasany amintsika ; ny Fanahy Masina, Izay monina ao anatin’ny mpino sy mampitodika ireo fiheviny ho amin’ny Kristy. Ary mbola eo koa ny fanampiana manokana ataona namana kristiana. Indraindray koa Izy dia mampiasa toejavatra eo amin’ny fiainana, izay sarotra indraindray, mba hampianarany antsika hahafantatra tsara kokoa ny fony feno fitiavana sy hiantehitra aminy.

Ny tena fitomboana kristiana dia ny mianatra hahalala ny Kristy, mba hanahaka Azy tsara kokoa.

(hitohy)