Alakamisy 16 Septambra 2027
Koa esory ny lolompo rehetra sy ny fitaka rehetra sy ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra, fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena. 1 Petera 2:1-2
Aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika. Hebreo 6:1
Ny mpino dia voantso hitombo eo amin’ny fiainam-pinoany, mba hanahafany kokoa hatrany ny Kristy. Miditra an-tsehatra ao amin’izany fitomboana ara-panahy izany Andriamanitra.
Na izany aza anefa, isika ihany koa dia manana andraikitra amin’izany. Ny ankizy tsy manaiky ny sakafo na ny fikarakaran’ny ray aman-dreniny dia tsy afaka hitombo araka ny tokony ho izy. Taomin’ny andinin-tSoratra Masina androany isika handà ny ratsy amin’ny endriny rehetra, sy haniry hivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra, toy ny zazakely minono fatratra amin-dreniny. Ny vokatr’izany dia fitomboana „ho amin’ny famonjena” : nefa tsy hoe mba hahazo ny famonjena ny fanahintsika, izay efa azontsika ho mandrakizay noho ny asan’ny Kristy teo amin’ny hazofijaliana, rehefa niova fo isika ; fa mba hiaina fiainana kristiana mandresy, afaka amina sakantsakana mifanesy tsy mampandroso antsika.
Tsy tian’Andriamanitra hipetra-potsiny isika, fa hiasa ho Azy amin’ny fontsika manontolo, hanjary lehilahy sy vehivavy matotra ara-panahy, manana traikefa, olon-dehibe lazain’ny Baiboly hoe mandroso „ho amin’ny tanteraka”. Izany dia mitaky hery, finiavana, ezaka manokana atao an-tsitrapo.
Io fitomboana io dia miandalana, ary tsy natokana ho an’olona vitsivitsy. Haintsika tratrarina io, raha katsahintsika : „Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” (1 Timoty 4:7). Ny mpanao fanatanjahantena dia manazatra tena mba hahatratra ny ambaratonga ambony indrindra ; ny mpanao mozika, mba hahatsara kokoa hatrany ny asa haikanto ataony… Dia tahaka izany koa, ho tonga amin’ny fahamatorana ara-panahy isika, raha miaina fiombonana tsy tapaka amin’i Jesosy Kristy, amin’ny alalan’ny vavaka sy amin’ny alalan’ny fihainoana sy fanatanterahana ny Teniny.
(tapitra)