Alatsinainy 27 Septambra 2027
Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka. 1 Petera 2:17
Manajà ny tavan’ny anti-panahy, ary matahora an’Andriamanitrao. Levitikosy 19:32
Mitandrema fandrao manao tsinontsinona, na dia ny iray aza, amin’ireny madinika ireny ianareo. Matio 18:10
Tamin’ny faran’ny ady nampisara-bazana tany Etazonia (1865), dia i J. Chamberlain no nibaiko ireo antokon-tafika Avaratra, rehefa nilavo lefona ny tafika Atsimo. Ireo miaramilany dia nilahatra nanemitra ny andaniny sy ankilan’ny arabe hodiavin’ny andian-tafika resy ka hitolo-batana. Teny iray tsy voahevitra, na fihetsika mahery setra, dia ampy hampivadika ho fifandripahana ilay fandriampahalemana nandrandraina fatratra. Koa tamina fihetsika mampihetsi-po no nandidian’i Chamberlain ireo miaramilany mba hiarahaba ireo mpifanandrina aminy ! Tsy nisy fanesoana na kely aza, fa basy sy sabatra ihany no nasandratra, ho fanajana ireto resy.
Angamba tsy nanampo akory i Chamberlain sy ny miaramilany fa nampihatra ilay fampirisihana hoe : „Manajà ny olona rehetra” (1 Petera 2:17). Ny hoe manaja olona dia mampiseho fanajana aminy. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny teny adika hoe „haja” dia midika ara-bakiteny hoe „vidiny, hasarobidiny”, toy ny ao amin’ilay fanoharana ny amin’ny vatosoa sarobidy (Matio 13:46). Ny hoe manaja olona iray dia manaiky ny hasarobidiny eo anatrehan’Andriamanitra.
Izany no antony itaomana antsika hanaja ireo izay eo amina toerana marefo kokoa : ny mahantra, ny zokiolona, ny ankizy, ny marary… Tena sarobidy amin’Andriamanitra izy ireo.
Ny ankizy, ohatra, dia mety ho voaratra mafy amina fanesoana na tsy firaharahana azy ireo. Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainany izany, rahatrizay olon-dehibe izy ireo. Isika dia tokony hanome haja ny ray aman-drenintsika ihany koa, maneho fanajana azy ireo. Ho ohatra mora arahina ho an’ny zanatsika izany, raha tsapan’izy ireo fa hajaina, tiavina, ary omena voninahitra izy ireo.