Talata 28 Septambra 2027
Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho ; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. Isaia 43:1
Ny Ray dia tia anareo. Jaona 16:27
Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia milamina ny fiainantsika, matetika. Nefa indraindray, na resy lahatra aza isika fa miara-miaina amin’Andriamanitra, dia misy trangan-javatra mipoitra : aretina mafy, na olona tiana maty tampoka. Ireo izay miaina fitsapana toy izany dia mahafantatra hoe hatraiza ny maha sarotra ny manambara ireo fihetsehampony, ireo fanontaniana tiany hapetraka, ny tsy fahatakarana azy, ary indraindray aza, ny fikomiana ao anatiny. Fantany koa hoe hatraiza ny maha sarotra ny mandre hoe tokony hahery fo, na hoe voafetra ny toetra maha olombelona…
Nahoana moa Andriamanitra no mamela zava-doza toy izany hitranga ?
Ry mpamaky malala, raha mandalo fitsapana mahamay isika, dia ndao hahatsiaro fa tia antsika Andriamanitra, ary mikarakara antsika, satria manan-danja aminy isika. Ndao haka fotoana hanaiky hovontosan’ny fitiavany, sady hilaza aminy izay rehetra tsapantsika, tena ny zava-drehetra mihitsy. Misy zavatra, mba tiantsika ho takatra eo no ho eo. Tsy manazava amintsika ny zavatra rehetra Andriamanitra, nefa ihany koa tsy manao boraingina, ary tsy hoe mafy fo amin’ny fijaliantsika. Mifanohitra amin’izany aza, fa ny Baiboly manontolo dia mampiseho amintsika Andriamanitra feno fitiavana, feno fahendrena, ary feno fahadiovana.
Ndao ho resy lahatra fa miasa am-pitiavana Andriamanitra, ary mahafantatra tanteraka ny toejavatra iainantsika, mba „hanisy soa anao any am-parany” (Deoteronomia 8:16). Koa ndao ho sahy manontany Azy izay tiany holazaina na hampianarina antsika, izay andrasany amintsika, izay tiany hatao eo amin’ny fiainantsika. Ndao hahay miandry ny valinteniny, ary hangataka aminy fironam-po hahaizana mandray izany.