Asabotsy 2 Oktobra 2027

(Hoy Jesosy :) Ho vavolombeloko any Jerosalema, sy eran’i Jodia sy Samaria, ary hatramin’ny faran’ny tany. Asan’ny Apostoly 1:8

Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra. Asan’ny Apostoly 2:32

 

Ireo vavolombelon’i Jesosy

Ny rakibolana Petit Larousse dia mamaritra ny vavolombelona ho „olona iray nahita na nahare zavatra, ary afaka manamarina izany”. Araka izany, ireo apostoly dia afaka nijoro ho vavolombelon’ny fahaveloman’i Jesosy, ny nahafatesany, ary ny nitsanganany velona indray. Teny an-tendrombohitra izay niovany tarehy, Jesosy dia niresaka tamin’Andriamanitra, ary vavolombelona nahita maso „ny fiandrianany” ry Petera sy Jakoba ary Jaona (2 Petera 1:16).

Ireo apostoly dia niara-nihinana sy niara-nisotro taminy, taorianan’ny nitsanganany velona indray (Asan’ny Apostoly 10:41). Nilaza i Jaona hoe : „Izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Teny Fiainana” (1 Jaona 1:1). Tafapaka hatratỳ amintsika ny fijoroany ho vavolombelona, noho ny sitrapon’Andriamanitra, Izay tia ny hahafantaran’ny olona rehetra fa Jesosy Zanany Lahitokana no „lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

Isika kristiana ve mbola vavolombelony ankehitriny ? Tena izany tokoa !

Nefa taiza isika no nahita sy nahare an’i Jesosy ? Teo amin’ny fiainantsika manokana ! Niova ny zavatra rehetra ho antsika sy ao anatintsika, rehefa nino Azy isika ary niaiky taminy ireo fahadisoantsika, ny fikomiantsika, ary angamba ny hakanosantsika. Nateraka indray isika (Jaona 3:3), ary manana fifandraisana velona amin’Andriamanitra Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. Ambarantsika fa velona Jesosy ary hay atao ny mihaona aminy. Fantatsika ny fitiavany antsika, ary nanjary iraka solony isika. Araka izany isika dia mangataka indrindra, noho ny amin’ny Kristy, hoe : „Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo !” (2 Korintiana 5:20).