Alahady 3 Oktobra 2027

Nisy roa lahy niresaka taminy (tamin’i Jesosy), dia Mosesy sy Elia, izay niseho tamim-boninahitra ka nilaza ny fialàny, izay efa hefainy any Jerosalema. Lioka 9:30-31

 

„Izy ireo dia nilaza ny fialàny (ny fahafatesan’i Jesosy), izay efa hefainy”

Ny Filazantsara dia mampahatsiaro ilay dinika miavaka teo amin’i Jesosy sy Mosesy ary Elia, tany an-tendrombohitra izay niovan’i Jesosy tarehy. Ny fahafatesana any Jerosalema tsy maintsy hefain’i Jesosy, fa tsy hoe hiaretany, no noresahin’izy ireo. Ny ho faty no nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany, mba hamafany ny fahotan’ireo rehetra hino Azy sy hanomezany fiainana mandrakizay azy ireo. Io fahafatesana indray mandeha tsy miverina io no tsarovan’ny mpino, isaky ny fanompoam-panahy rehefa alahady. Mandray ny Fanasan’ny Tompo izy ireo, ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Mpamonjy azy ireo sy ny nitsanganany velona indray. „Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo, mandra-piaviny” (1 Korintiana 11:26). Ny asa fanavotana notanterahin’ny Kristy teo amin’ny hazofijaliana ihany koa no ho votoatin’ny fiderantsika mandrakizay any an-danitra.

Misy fiombonana akaiky dia akaiky hita soritra amin’io tranga io. Nirin’Andriamanitra tamin’ny vanimpotoana rehetra io fifandraisana feno fiombonana mahatretrika amin’ny olombelona io. Afaka niresaka tamin’i Abrahama toy ny tamina sakaiza rahateo Izy (jereo Jakoba 2:23). Dieny ankehitriny isika dia efa iriny hanana io fifandraisana io aminy. Afaka miaina izany manokana isika, ao anatin’ny vavaka iresahantsika aminy izay rehetra mahakasika antsika, na koa ao anatin’ny fitsaohana manokana isaintsainantsika ny fahafatesan’ny Kristy. Afaka miara-mivavaka sy midera an’Andriamanitra amina mpino hafa ihany koa isika, ka miara-mifaly mijoro eo amin’ny fanatrehany.