Talata 12 Oktobra 2027
Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17
(Hoy Jesosy :) Indro, Izaho momba anareo mandrakariva. Matio 28:20
— Mba tena te hino an’i Jesosy Kristy mihitsy aho, nefa tsy maharesy ireo fisalasalako. Tsy mitsahatra aho manontany tena raha tsy manonofinofy, raha misy marina Andriamanitra…
— Takatro tsara ny lazainao ; iza moa no tsy nanana fisalasalana ? Ho ahy izy ireo dia vokatry ny fanankinako ny finoako amin’ireo fihetsehampoko… Rehefa nisaintsaina ny fiainako matetika nivembena aho, ahoana no tsy hanana fisalasalana ? Rehefa tonga saina aho fa eo anilako Andriamanitra, dia mandeha tsara ny zavatra rehetra, nefa ve levona ny finoako rehefa tsy mahatsapa na inona na inona intsony aho ? Dia mananontanona ahy ny hiforitra anatin’ny tenako ihany.
Mifanohitra amin’izany kosa, mahazo hery ny finoana rehefa miantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, sady manaiky ho marina izay lazain’Andriamanitra. Ny finoana dia ahafahako mamakivaky ny fotoana manjombona eo amin’ny fiainako, rehefa manana fifandraisana amin’Andriamanitra aho, satria tsy mba mety sasatra ny fitiavany, ary tanterahiny izay nampanantenainy. Tsy mikatona ao amin’ny tenako aho, fa aleoko misokatra amin’Andriamanitra, Izay manana ao aminy ny loharanon-kery tsy mety ritra sy azo antoka.
Eo amin’ny lalan’ny mpino, dia misy fitsapana avela hitranga, mba hisedrana ny finoany sy hanadiovana izany, ary mba hitarihana azy hiantoraka amin’Andriamanitra, hino ny Teniny irery ihany. Mety hiseho ao anaty ao ny feon’ny fisalasalana, nefa ny fifaliana satria matoky an’Andriamanitra no tokony handresy izany, ary hiteraka fiadanam-po amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Aoka isika tsy hijery ny tenantsika ihany. Ndao hifampahery hibanjina an’i Jesosy, araka izay anehoany ny tenany ao amin’ireo filazantsara. Izy, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga olona, maty teo amin’ny hazofijaliana, nitsangana velona indray ary mpandresy any an-danitra, dia miasa hahasoa isanandro antsika tsirairay avy.