Alarobia 13 Oktobra 2027
Fa efa tonga ny Zanak’olona (Jesosy) hitady sy hamonjy ny very. Lioka 19:10
Any amin’ny fonja any Bochum (any Alemaina) dia misy evanjelista iray mahazo miara-mandeha amin’ny mpiandraikitra ara-panahy ofisialy, mba hanambara ny Tenin’Andriamanitra amin’ny voafonja. Samy manana ny finoana miorina amin’ny Filazantsara izy roa lahy. Mandritra ireny fihaonana ireny dia afaka mametra-panontaniana malalaka ny voafonja, ka mampisy fifanakalozan-kevitra mahasoa izany. Rehefa afaka taona vitsivitsy niaraha-niasa, dia hoy ilay mpiandraikitra ara-panahy tamin’ilay evanjelista :
— Nankasitrahiko ny asanao, izay tena ilaina ho an’ny voafonja. Nefa afaka iray volana aho dia hitsahatra amin’ny asako, ary tsy tena mino an’i Jesosy Kristy ilay misolo ahy. Azo antoka fa tsy hanaiky hiara-miasa aminao izy.
Mba hanombanany ny asany, dia nanatrika ireo fihaonana amin’ny voafonja ilay mpiandraikitra ara-panahy vaovao. Afaka telo herinandro, nandritra ny fivoriana iray, dia nanontany ny voafonja iray hoe :
— Nahoana ianao no mikarakara anay, nefa izahay olona tsy tian’ny fiarahamonina ?
— Mba hahafantaranareo ny Mpamonjy, dia ny Tompo Jesosy Kristy, hoy ilay mpiandraikitra.
Alaivo an-tsaina ny hatairan’ilay evanjelista, nahare izany valinteny izany. Nanontaniany izay zava-nitranga ilay mpiandraikitra, ka namaly hoe :
— Tapa-bolana laza izay, rehefa nitory teny ianao dia nahatakatra aho fa mila Mpamonjy, ka nitodika taminy.
Afaka nanohy fiaraha-miasa tao amin’ny fonja ireo mpino mirahalahy, nitondra fanantenana kely ho an’ny voafonja.