Alakamisy 14 Oktobra 2027

(Hoy Jesosy taminy :) Ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay. Jaona 4:14

Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. Jaona 17:3

 

Ilay vehivavy nitory ny Filazantsara (3)

Tsara vakina : Jaona 4:1-42

Mitatao vovonana ny andro. Nisy vehivavy Samaritana iray tonga haka rano teo amin’ny fantsakana, tamin’ny fotoana mafana indrindra tamin’ny andro, mba tsy hifanena aman’olona. Nefa nisy olona iray teo, sasatra sy nangetaheta. „Omeo Aho hosotroiko”, hoy Izy taminy. Taitra ravehivavy, satria ny Jiosy tsy dia mifandray firy amin’ny Samaritana. Nefa nanjary liana izy, rehefa noresahin’Ilay olona „ny rano velona” tiany homena azy.

Jesosy io olona io, ary ny rano velona resahiny dia ny Fanahy Masina, loharanon’aina, aina maharitra mandrakizay. Na tsy taka-dravehivavy aza ny nolazain’i Jesosy, dia nangatahiny Izy hanome azy izany rano izany.

Nefa tokony ho takany aloha hoe iza ity miresaka aminy. Koa nasain’i Jesosy niantso ny vadiny izy. „Tsy manambady aho”, hoy izy namaly ; dia nambaran’i Jesosy mazava fa tsy vadiny ilay miara-mipetraka aminy. Tsy maintsy mivoaka ho eo amin’ny mazava ny faritra miafinafina rehetra eo amin’ny fiainany. Tonga saina izy fa fantatr’i Jesosy ny fiainany manontolo, ary noheveriny ho mpaminany Izy, ka nanontaniany ary niresahany ny amin’ny hiavian’ny Mesia andrasany. Namaly Jesosy hoe : „Izaho Izay miresaka aminao no Izy”. Koa navelany teo ny zavatra rehetra, ary lasa izy nihazakazaka nanambara tany an-tanàna ilay vaovao mahafaly. Dia tonga nanatona an’i Jesosy ny olona rehetra, ary nino Azy.

Na teo aza ny fahalainany hiresaka tamin’olon-tsy fantatra, ny tsy dia fahatakarany loatra, ny fanambaniana azy noho ny fiainany tsy araka ny tokony ho izy, dia nekeny izay nambaran’i Jesosy azy. Enga anie isika hanaraka ireo dingana nataony : ho feno fatokiana, hangetaheta mafy hahafantatra an’Andriamanitra, hanaiky an’i Jesosy ho Ilay Zanany tonga olona, ary ho faly manambara Azy ho Ilay „Mpamonjy izao tontolo izao”.