Alahady 24 Oktobra 2027

Ilay nahita (Jaona Mpanao batisa) dia vavolombelona manambara… Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe : „Tsy hisy hotapahina ny taolany”. Ary hoy koa ny teny iray ao amin’ny Soratra Masina : „Hijery Izay nolefoniny izy”. Jaona 19:35-37

 

Nanatanteraka ny faminaniana ireo miaramila romana (2)

Ao amin’ny fitantarany ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, Jaona dia mampahatsiaro fa nohomboan’ireo miaramila Jesosy, „ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany” (Jaona 19:18). Tohiziny ny filazalazana io fisehoan-javatra mampihoron-koditra io : tatỳ aoriana kely dia „tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ny anankiray koa izay niara-nohomboana tamin’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana. Fa nony nankeo amin’i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’izay dia nisy ra sy rano nandeha” (Jaona 19:32-34).

Ny fanapahana ny ranjo dia manafaingana ny fahafatesan’ireo voaheloka, aorianan’ny fanaintainana lozan-tany rehefa homboana eo amin’ny hazofijaliana. Nefa tsy nilaina natao an’izany Jesosy, satria efa maty. Koa nahoana àry io miaramila io no nandefona ny lanivoany ? Fihetsika mitory fankahalana na fihaikana ve ? Tsy nohazavaina ny anton’io fihetsika mitory hasiahana tsy ara-drariny io. Nefa kosa ambaran’i Jaona fa misy faminaniana roa miavaka, ao amin’ny Testamenta Taloha, tanteraka (teny androany) : Salamo 34:20 sy Zakaria 12:10. Tsy maintsy nilatsaka avy teo amin’ny tenan’i Jesosy maty ny ra, mba hanadiovana izay mino Azy, ho afaka amin’ny fahotany rehetra (1 Jaona 1:7).

Araka izany dia nanatanteraka izay nambaran’Andriamanitra mialoha io miaramila romana io, na tsy nahafantatra izany akory aza. Andriamanitra dia mampiasa izay olona tiany hampiasaina, mba hahatanteraka izay nolazainy. Tsinjoviny tsara mba ho tanteraka, amin’ny antsipiriany kely indrindra, izay rehetra nambarany momba ny Zanany. Dia toy izany koa, hataony tanteraka avokoa izay mbola tokony hitranga, voalaza ao amin’ny Teniny.

(tapitra)