Alatsinainy 25 Oktobra 2027

Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly. 1 Jaona 3:8

Mandalo izao fiainana izao sy ny filany ; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. 1 Jaona 2:17

 

Izao tontolo izao sy ny andrianany

Napetrak’Andriamanitra tanaty tontolo mahamety ny aina ny zanak’olombelona, harena tsy takatry ny sainy no nataony teo ampelatanany mba hohaniny, hampiadana azy, hahasambatra azy. Ahoana no hanazavana ny fahoriana nanandevo azy efa taonarivo maro ? Nahoana, any amin’ny tany manankarena, na mandroso aza ara-teknika, ara-pahasalamana ary ara-tsosialy, no trotraka ny olona, fatratra aoka izany ny tsy fahafaliana, ary marobe ny fifandirana ?

Indray andro dia niova andriana ity tontolontsika ity (ny zanak’olombelona). Naleony nihaino ny feon’i Satana, toy izay ny feon’Andriamanitra. Nofitahin’ilay „mpandainga” izy, ka nanjary andevon’ny avonavony sy ny herisetrany. Tao anatin’izany toejavatra izany Jesosy no tonga, namangy ny zanak’olombelona. Fony vao teraka Izy dia efa nailika. Nampirisihin’i Satana i Heroda, ka nampamono ny zazalahy kely rehetra latsaky ny roa taona, satria nihevitra tamin’izany hoe hamono an’i Jesosy Zaza (Matio 2:16). Ny naha teto an-tany an’i Jesosy dia nampiseho fa i Satana no nitarika izao tontolo izao. Antsoin’i Jesosy hoe „andrianan’izao tontolo izao” izy (Jaona 12:31).

Avy eo ity tontolo ity natosik’io andrianany io, ilay mpamono olona, ka tsy nahay afa-tsy ny nanombo ny Zanak’Andriamanitra teo amin’ny hazofijaliana. Nefa Jesosy, tamin’ny fahafatesany, dia nandringana „ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” (Hebreo 2:14). Naharesy an’i Satana Izy, ary nanafaka ny olona rehetra mino Azy. Afaka mahita izany isanandro ny kristiana, sady mahatsiaro koa fa ity tontolo fehezin’i Satana ity dia nanombo ny Zanak’Andriamanitra teo amin’ny hazofijaliana ; noho izany ny kristiana dia te hanalavitra ireo fanangoleny.

Ankehitriny Andriamanitra dia mbola tia ny olombelona hatrany : notiaviny fatratra izao tontolo izao (ny olombelona rehetra), ka „nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).