Alatsinainy 8 Novambra 2027

Jesosy … niteny taminy hoe : Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany ? Tsy maty razazavavy, fa matory. Marka 5:38-39

Nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe : Aza mitomany. Lioka 7:13

Jesosy nitomany. Jaona 11:35

 

Fitsanganana telo ho velona indray

Ireo filazantsara dia mitatitra tranga niseho tamin’olona telo natsangan’i Jesosy ho velona indray. Samy hafa ireo toejavatra ireo, arakaraka ny fe-potoana nanelanelana ny fahafatesana sy ny nidiran’i Jesosy an-tsehatra.

— Zazavavy kely 12 taona vao maty (Lioka 8:40-42 ; 49-56). Tonga nampionona ny ray aman-dreny ny mpiara-monina, tamina taraindraina sy tomany araka ny fomba fanao. Nahatak’i Jesosy ireo vahoaka nitabataba ireo, sady hoy Izy : „Aza mitomany… matory izy”. Avy eo Izy dia nitokana tao amin’ny efitra nisy ilay zazavavy, nandray ny tanany ; ary nandidy azy hiarina avy teo am-pandriany ny feo maherin’Ilay Zanak’Andriamanitra.

— Efa teny an-dalana ho any am-pasana ny fatina tovolahy iray, zanaka lahitokana vehivavy mpitondratena (Lioka 7:11-17). Nifanena tamina andian’olona notarihin’i Jesosy ny andian’olona handeha handevina. Nony nahita ny renin’ilay tovolahy maty i Jesosy dia „onena” azy ka nanao taminy hoe : „Aza mitomany”. Avy eo io tovolahy io dia natsangany velona indray, tamina hery tsy fahita ka naharaiki-tahotra ny olona.

— Efa voalevina efatra andro i Lazarosy (Jaona 11:32-44). Efa „maimbo” ny faty. Tsy nahasakana an’i Jesosy izany, fa niantso tamin’ny feo mahery Izy, nampivoaka an’i Lazarosy tao am-pasana. Talohan’ny nanatanterahany an’io fahagagana mbola manaitra kokoa io Izy dia nahita ny fahorian’ireto anabavin’ny maty mbamin’ireo namany. Tamin’ity indray mitoraka ity Izy dia tsy niteny hoe „Aza mitomany”, fa Izy mihitsy no niara-nitomany tamin’izy ireo. Fiombonam-po lalina anie izany e ! fiombonan’Ilay Zanak’Andriamanitra amin’ny olona noarìny miatrika ny fahafatesana tsy azo sakanana !

Ry kristiana namana mandalo fitsapana, tsy miova Jesosy ankehitriny. Mifehy ny toejava-mitranga lalovanao Izy. Onena anao noho ny fahorianao Izy, ary mitondra ho anao ny fampiononany araka ny maha Andriamanitra Azy.