Talata 9 Novambra 2027
(Hoy Jesosy :) Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12
François Rabelais, mpanoratra frantsay tamin’ny taonjato faha-16, dia mitantara ny tantaran’ireo „ondrin’i Panurge” : mba hanaovany valifaty tamina mpivarotra iray, dia nividy ondry iray i Panurge… ary nanipy azy tany anaty ranomasina. Dia nandeha ho azy ny sisa, noho ny fironan’ny ondry hiaraka andiany : nitsambikina nihoatra ny sambo ilay andian’ondry, ka rendrika tany anaty ranomasina izy rehetra. Izany no niavian’ny fiteny hoe „manao tahaka ireo ondrin’i Panurge” (manara-drian-drano). Izany dia ilazana ireo olona manaraka fotsiny ny hafa, tsy am-pieritreretana.
Ny Baiboly dia tena fitaratra tokoa, itarafana ny fitondrantenan’ny olombelona ; matetika ohariny amin’ny ondry tsotra ny olona. Tsy dia doka angamba izany ! Nefa tokony hiaiky isika fa matetika dia maka tahaka, tsy am-piheverana, ireo mpiara-belona amintsika, eo amin’ny sehatra maro eo amin’ny fiainana. Rehefa manao tahaka ny olona rehetra isika, dia mahazo toky ao anatintsika, hoe ao amin’ny tena izy… ny tena izy amin’izao fotoana izao, fara fahakeliny ! Avy eo isika ilazan’ny haino aman-jery zavatra hafa, dia miova fitondrantena na fihevitra.
Izy Jesosy dia mampitandrina antsika, manoloana ny fanarahana ny hafa tsy am-piheverana : „Midira amin’ny vavahady èty ianareo ; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy” (Matio 7:13-14). Io lalana malalaka io no alehan’ny olona mihevitra „tahaka ny olona rehetra”. Ohatra ny mampitony izany, nefa very lavitra an’Andriamanitra ny rehetra, amin’ny farany… Mifanohitra amin’izany kosa, ny hoe miditra amin’ny „vavahady èty” dia ny mino an’i Jesosy sy ny sorona nataony… ka voavonjy. Ny mandeha amin’ny lalana tery dia midika hoe miaina araka ny fampianaran’i Jesosy. Koa aza diso mpitari-dia isika ! (Namboarina avy tamin’ny alimanaka „Plaire au Seigneur”)