Alarobia 10 Novambra 2027
Na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany. Kolosiana 3:17
Izay rehetra azon’ny tànanao atao, dia ataovy amin’ny herinao. Mpitoriteny 9:10
— Tsy afaka manao na inona na inona ho an’Andriamanitra aho, hoy i Marion. Tsy manam-bola aho, ary tsy manana talenta. Inona no ilàna manandrana ? Namaly azy i nenitoa Clara hoe :
— Tsy hitako izay tokony hitarainanao, nefa ianao manana fotoana maro ahafahanao manao zavatra ho an’Andriamanitra. Anikeheo maraina izao ianao dia nangatahin’ny rahavavikelinao hanampy azy hamita ny fandokoana sariny. Naleonao nanohy ny kilalaonao, dia nitomany izy. Dimy minitra monja anefa no ho laninao tamin’izay, sa tsy izany ?
— Tsy izany loatra no tena tiako holazaina, hoy i Marion, nanazava. Te hanao zavatra lehibe ho an’Andriamanitra aho.
— Fantatrao ve, ry Marion, fa Andriamanitra dia mametraka antsika tsirairay eo amin’izay tena toerana tiany hametrahana antsika ? Misy zavatra tokony hatao, eo amin’izay toerana misy antsika ; afaka manatanteraka ireny ho Azy isika. Hoy Izy : „Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin’ny herinao” (Soratra Masina androany). Isamaraina, rehefa mifoha ianao, dia angataho ny Tompo Jesosy hanome anao maso hahitanao izay rehetra ho azonao atao ho Azy ato an-trano, amin’io andro io. Ho gaga ianao, amin’ny isan’ny zavatra ho hitanao. Ho afaka nanampy ny zandrikelinao ianao, anikeheo maraina. Hitan’ny Tompo izay rehetra ataontsika ho Azy. Tsy voatery hanana vola na talenta maro miavaka, vao afaka miasa ho an’i Jesosy —fa fo feno fitiavana Azy.
Dia manjary faran’izay tsotra ny fandaharam-potoana isanandro, amin’izay : manana fo feno fitiavana ny Tompo, mba hitsaoka sy hanompo Azy.