Alakamisy 11 Novambra 2027

Ary niditra teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra ka nanao taminy hoe : Efa voasoratra hoe : „Ny tranoko dia trano fivavahana” ; fa ianareo kosa nanao azy ho „zohy fieren’ny jiolahy”. Lioka 19:45-46

Isika no tempolin’Andriamanitra velona. 2 Korintiana 6:16

 

Fo fenon’ny fanatrehan’Andriamanitra

Tamin’ny andron’i Jesosy, ny tempolin’i Jerosalema dia tanjona fivahiniana masina sady trano fivavahana, ary toerana nanan-tombony manokana ahafahana mihaona amin’Andriamanitra. Rava tanteraka izy io tatỳ aoriana. Ankehitriny dia ny fitambaran’ny mpino, ny Fiangonana, no mirafitra ho tempolin’Andriamanitra, amin’ny lafiny ara-panahy (1 Korintiana 3:16). Ary Andriamanitra dia monina ihany koa, amin’ny alalan’ny Fanahiny, ao amin’ny àty lalina indrindran’ny fon’izay olona mino ny Tompo Jesosy (1 Korintiana 6:19 ; Galatiana 4:6).

Tahaka ny inona ny fontsika ? Angamba tsy tahaka zohy fieren’ny jiolahy, fa tahaka toerana fanaovana ady varotra ? Isika ve indraindray tsy manakalo ezaka iray tokony hataontsika amina fahasoavana, na fangatahana iray amina fampanantenana hanao tsara ? Jesosy nandroaka ny mpivarotra tao an-tempoly, dia mampahatsiahy antsika fa toerana idirana maimaimpoana ny tranon’ny Rainy, toerana ivelaran’ny fitiavana sy ny fiombonana. Mbola izany ihany no ataony ankehitriny, eo amin’ny fiainantsika : mandroaka izay rehetra manakana antsika tsy hahalala an’Andriamanitra ho „Andriamanitry ny fahasoavana rehetra”, izay rehetra mitarika antsika hihevitra fa mendrika fankasitrahana isika, hihevitra fa tokony hanome zavatra antsika Andriamanitra, ary izay rehetra mampivaona ny fifandraisantsika aminy.

Ny fontsika dia tahaka „trano fivavahana” ; isika dia mahalala an’Andriamanitra ho Ray any an-danitra, Izay tia antsika. Mangataka aminy isika hoe : „Hatao anie ny sitraponao”, mianatra manavaka sy manaiky ny sitrapony ho an’ny fiainantsika. Miezaka miaina akaiky Azy isika, amin’ny alalan’ny vavaka, tsy hoe ho takalona fankasitrahana, fa ho valin’ny fitiavany : „Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha” (1 Jaona 4:19).