Zoma 12 Novambra 2027
Jehovah ô… maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho. Salamo 5:3
Fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo. Matio 6:8
Vavaka am-patokiana
Rehefa miresaka aminao amin’ny vavaka aho,
Rehefa misandratra any aminao ny foko,
Dia mba tiako, ry Andriamanitro, ry Raiko,
Ny hanaiky am-pinoana ny zavatra rehetra,
Tahaka ny Kristy nanondrika ny lohany,
Ary hiteny aminao fa aleo
Ny sitraponao no ho tanteraka,
Fa tsy izay tiako.
Fantatro tsara fa ny fahendrenao
No niaro ahy nandritra ny fiainako lasa,
Nefa indraindray dia mampahory ahy ny hoavy,
Ka mahatsiaro ho mitebiteby aho ;
Enga anie ny finoako ho vonona mandrakariva
Hiteny aminao fa aleo
Ny sitraponao no hatao,
Fa tsy izay tiako.
Eny, ry Andriamanitro, rehefa mivavaka aho
Dia mikatsaka ny sitraponao ;
Manaiky izany tanteraka aho,
Matoky ny fahamoramponao.
Mandohalika aho, manondrika ny lohako,
Miaiky fa aleo
Ny sitraponao no hatao,
Fa tsy izay tiako.
(Hymnes et Cantiques — Fanontana 2022, laharana 297)