Asabotsy 13 Novambra 2027

Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, ary mbola hanohon-tànana kely hatory, dia ho tonga … ny fahantranao, ho toy ny jiolahy. Ohabolana 6:10-11

 

Ny torimaso : matory noho ny hakamoana (1)

Ny Baiboly dia mampiseho amintsika toejavatra maromaro mety mahatonga ny mpino hivarilavo hanaiky hotarihina noho ny hakamoana.

„Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, nefa ny hampakatra azy ho amin’ny vavany dia mahasasatra azy” (Ohabolana 26:15). Io andinin-tSoratra masina io dia tena maneso ! Manana sakafo betsaka, saingy tsy ampy hery hihinanana izany, loza izany ! Nefa indraindray isika dia manao toy izany. Mila ezaka ny mamaky, mahatakatra, mandalina ny fahalalantsika ny Tenin’Andriamanitra. Eo ampelatanantsika io Teny io. Inona no ataontsika aminy ?

„Hoy ny malaina : Misy liona any an-dàlana, misy liona atsy an-dàlambe” (Ohabolana 26:13). Eto dia nihamangatsiaka ny fitiavany ny Tompony, tsy manana fahazotoana na finiavana intsony izy hanompo Azy. Miraviravy tanana izy, ka tandindomin-doza hotarihin’ny filany, sady mitady fialan-tsiny tsy mitombina. Indraindray isika dia mety ho sasatra, tsy hanan-kery hanao fanompoana. Nefa na oviana na oviana Andriamanitra tsy mangataka antsika hanao izay tsy vitantsika, ary omeny ny loharanon-kery rehetra mba hanompoana Azy.

Fotoana fohy isika no etỳ an-tany, ary tsy fantatsika ny andro hiverenan’ny Tompo. Mety ho rahampitso izany, na koa ho anio mihitsy aza ! Inona no ho hitany rehefa hiverina haka antsika Izy ? Mpanompo matory ve ? sa mpanompo miasa, manompo Azy. Henoy Jesosy mampahery ny mpianany hoe : „Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy” (Lioka 12:37).

(hitohy amin’ny amin’ny asabotsy manaraka)