Alahady 14 Novambra 2027

Izy (Jesosy) nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota. Jaona 19:17-18

(Hoy Jesosy :) Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Jaona 10:18

 

Nivoaka Jesosy

Nivoaka avy tao Jerosalema Jesosy : Jerosalema, ilay tanàna vao nanamelohana Azy ho faty. Satria ny hafatra nentiny, mifono fahasoavana, dia notsaraina hoe tsy mifanaraka amin’ny fitondrana hentitra napetrak’ireo mpitarika ara-pivavahana. Nivoaka tao amin’ny fiarahamonin’ny olona Izy : ny narosony araka ny fahasoavana sy fitiavana dia mifanohitra loatra amin’ny fiainana sy fahazaran’ny olona tamin’ny fotoanandrony ; tsy vonona handini-tena izy ireo. Izy dia nivoaka tao amin’ny tontolo nahatongavany mba hitondra ny famelan-keloka sy ny fihavanana amin’Andriamanitra ; marary izao tontolo izao, nefa mandà ny fanafana atolotr’Andriamanitra.

Ny hazofijaliana nentin’i Jesosy dia famantarana fa nolavina Izy. Tamin’izany fotoana izany dia ny fanomboana eo amin’ny hazofijaliana no fanasaziana mampivarahontsana indrindra hay atao amin’olona. Io no fampijalijaliana nampiharina tamin’Ilay Zanak’Andriamanitra, nefa ny nahatongavany dia ny hampiseho ny fitiavana sy ny fiombonam-po.

Ireo izay nanatri-maso io tranga mampihoron-koditra io dia nahita, tetỳ ivelany, olona voaheloka tsy manan-kery ; nefa ny marina dia hoe an-tsitrapo no nanoloran’i Jesosy ny tenany ho sorona. Nandà Azy ny olona, fa Izy kosa nanaiky homelohina. Niharihary ny haratsin’ny olona, tamin’io fampijalijaliana io, manala aina aoriana-na fijaliana lozantany, nefa Izy dia nanolotra ny ainy tam-pitiavana. Nihevitra ny olona fa vita hatreo ny aminy, nefa telo andro tatỳ aoriana dia nivoaka ny fasana Izy, nitsangana velona indray noho ny heriny samirery, nandresy ny fahafatesana.

Eny, lehibe kokoa ny fitiavan’Andriamanitra noho ny haratsian’ny olombelona, ary mandraka ankehitriny dia mbola ampy io sorona io, mba hahavoavonjy ny olona rehetra mino amin’ny fony fa maty Jesosy nisolo toerana azy ireo, nitsangana velona indray, velona any an-danitra. Mino izany ve ianao ?