Alatsinainy 15 Novambra 2027
Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo… Fa Izaho no Andriamanitra. Isaia 46:4, 9
Fa na dia mihalevona aza ny toetranay (ny tenanay) ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny. 2 Korintiana 4:16
Ilay Raintsika any an-danitra dia Andriamanitra mahatoky, Izay tsy miova rehefa miova ny toejava-mitranga eo amin’ny fiainantsika. Ireo izay nametraka fitokiana aminy dia nampanantenainy fa hoentiny hatramin’ny farany, na amin’ny fotoanan’ny fahanterana sy ny olana tena marobe aza. Fantany tsara ny zava-manahirana azy ireo, ary resahiny antsika moramora ao amin’ny Teniny izany (vakio Mpitoriteny 12:1-5) : „Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe : Tsy sitrako izao”. Fantany fa mihena ny fahafaha-manao sy ny hery : „dieny tsy mbola maizina ny masoandro … ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana… ary hanjoko ny lehilahy matanjaka”. Fantany fa hahatsiaro ho irery indraindray rehefa „hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dàlambe” (rehefa marenina), rehefa manjary vesatra ny ezaka kely atao ka „hatahotra ny fiakarana … ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dàlana”. Eny, Ilay Andriamanitra nahary antsika dia mahafantatra tsara izay tsapantsika, rehefa mandroso taona isika.
Ireo „mahatsiaro ny Mpanao azy” sy mino ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia omen’Andriamanitra fampanantenana mahatalanjona hoe : „Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro” (Ohabolana 4:18). Eny, ny kristiana zokiolona miaina eo anilan’ny Mpamonjiny dia fahazavana mamiratra ! Mikarakara ny olony Andriamanitra, ary mitondra azy eny an-tsandriny hatramin’ny farany : ny hoe mitataovovonana dia ny miaraka amin’i Jesosy any am-paradisa.