Talata 16 Novambra 2027
Joba dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe : … Mihainoa, fa hiteny aho ; hanontany Anao aho, ka ampahafantaro. Joba 42:1, 4
Anisan’ireo tolotra ankehitriny, vokatry ny Fahiratan-tsaina Amboarin’olombelona (FA), ny fahafahana mifanoratra amin’olona noforonin’ny eritreritra na tena misy. Te hiresaka amin-dRanavalona ve ianao ? Azo atao izany. Na amin’olo-malaza iray tianao ? Ataovy ! Afaka manonofinofy miresaka malalaka amin’olona safidinao ianao, rehefa mandoa vola isam-bolana.
Anisan’ireo fangatahan’ny mpampiasa io tolotra io ny hiresaka amin’Andriamanitra. Matetika izany dia atao ho fihomehezana, na angamba faniriana an-kitsimpo. Tsy ilàna Fahiratan-tsaina Amboarin’olombelona anefa ny fifandraisana amin’ny Mpahary ! Tena zavamisy ny fahafahana mifamaly asa aminy, fa tsy vokatra fandaharana kajimirindra. Nomen’Andriamanitra antsika izay rehetra ilaina, hahafahantsika miresaka aminy sady mihaino Azy. Afaka mifandray aminy aho isanandro ary tsy voafetra, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny Teniny, dia ny Baiboly. Rehefa mivavaka aho dia miresaka amin’Andriamanitra. Rehefa mamaky ny Baiboly aho, dia Izy no miteny amiko : nomeny saina isika mba hahafantatra Azy.
Tena lafobe ny saran’ny nanokafany ho antsika io fifandraisana io, sarany izay tsy inona fa ny sorona nataon’Ilay malalany indrindra, dia Jesosy Zanany Lahitokana, araka ny voasoratra hoe : „Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8). Fa isika kosa dia mifandray aminy maimaimpoana tanteraka sy tsy voafetra. Tsy mila famandrihana, tsy misy na inona na inona aloa : tsy misy ataontsika afa-tsy ny mampiasa ireo loharanon-kery apetrak’Andriamanitra eo am-pelatanantsika, dia ny Baiboly, izay Teniny, mbamin’ny vavaka.