Alarobia 17 Novambra 2027

Ny tànanao nanao ahy sy namboatra ahy ; ampianaro aho, mba hianarako ny didinao. Salamo 119:73

Fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Romana 8:28

 

Eo ampelatanan’Andriamanitra

Ao amina lahatsoratra iray ao amin’ny Testamenta Taloha, ny mpaminany Jeremia dia nasain’Andriamanitra nankany amina mpanefy tanimanga. „Dia nidina tany amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin’ny ankodina fanaovana izy. Ary raha simba ny vilany ataony… dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’ny mpanefy tanimanga hanaovana azy” (Jeremia 18:3-6).

Ny Baiboly dia mampiasa imbetsaka ny kisarisarina mpanefy tanimanga, mba hilazany ny fomba amolavolan’Andriamanitra antsika miandalana sy am-paharetana. Omeny saina isika mba hifandray aminy, omeny fo mba hahafahany mandrotsaka ao ny fitiavany, ary fieritreretana, mba hahatakarantsika izay ankasitrahiny sy izay tsy tiany. Ampiasainy ireo zavatra iainantsika, na ny mahafaly izany na ny sarotra, mba hanefeny antsika ; dia mianatra hahafantatra Azy isika.

Nisy mpanoratra tamin’ny taonjato faha-16 nanoratra hoe : „Vitsy ny olona mahatakatra tsara izay hataon’Andriamanitra azy ireo, raha mamela Azy hanao izany. Ny vatan-kazo maraorao sy tsy misy endrika mazava dia tsy afaka haminavina hoe hanjary sary vongana tsara tarehy eo ampelatanan’ny mpanao sokitra, izay mahita tsara ny afaka hataony avy aminy.”

Andriamanitra io mpanefy tanimanga manefy ny vilaniny io, io mpanao sokitra mampiseho tsikelikely ny sary vongana ataony io. Ndao hangataka Azy hanampy antsika hahatakatra izay tiany hampianarina antsika, amin’ireo toejavatra rehetra avelany hitranga eo amin’ny fiainantsika. Ndao hatoky ny fitiavany sy ny fahendreny. Ndao hanaiky hovolavolainy, mba hanjary „fanaka homem-boninahitra … efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 2:21).