Alakamisy 18 Novambra 2027
Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina ? Isaia 8:19
(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohana ianareo. Matio 7:7
Rose Warmer dia teraka tany Hongria tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, jiosy ny ray aman-dreniny. Teo amin’ny fahatanorany izy dia nirotsaka tao amin’ny sehatra famohazana angatra, niaraka tamina mpanakanto sy manampahaizana manodidina azy. Nihevitra izy fa afaka mampandeha sy mampiverina ireo fanahy araka izay tiany, nefa hitany tatỳ aoriana fa izy ireo no nangeja mafy azy, tonga hatramin’ny fanisihana tao aminy eritreritra hamono tena.
Koa nanapa-kevitra hamaky ny Baiboly io vondrona io, alohan’ny fotoana rehetra, mba ho ny „fanahy tsara” ihany no afaka mifandray aminy. Nefa tsy araka ny nantenainy ny vokatr’izany. Tsy nisy, na iray aza, nino fa Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Nefa mbola nitodika indray tamin’ny Baiboly izy ireo, mba hahazo fanampiana, ka tojo ny andininy hoe : „Ary raha lazainy aminareo hoe : Milà saina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina ? Fa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy ?” (Isaia 8:19).
Dia niatrika safidy tena lehibe i Rose : mbola hanohy hiantso ireo fanahy ve ? sa hitodika amin’Andriamanitra ? Nanomboka namaky ny Baiboly izy, nefa maro aoka izany ny zavatra mbola maizina taminy ! Azony an-tsaina ny halehibe sy hatsarampon’Andriamanitra, nefa tsy vitany ny nanatona Azy. Na izany aza anefa, dia nihaniharihary kokoa hatrany taminy ireo fahotany. Koa nitady olona izy, afaka hanazava aminy, amin’ny alalan’ny Baiboly, hoe ahoana no hahitana ny lalana mankany amin’Andriamanitra.
(hitohy)