Zoma 19 Novambra 2027
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka fahalevonana ; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:17
Tamin’ny volana septambra 1939 dia nisy naman’i Rose iray nitondra azy hanatrika ny toritenina misionera amerikana iray tany Budapest. Tany izy dia nahita valina fanontaniana maro napetrany. Tatỳ aoriana i Rose dia namaky, tao amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona, ny teny nolazain’i Jesosy an’i Nikodemosy, hoe tsy maintsy „hateraka indray” izy. Hateraka indray ! Raha mba hay atao tokoa mantsy izany ! Naniry hamerina indray ny fiainany izy. Tamin’io takariva io, teo amin’ny faha-30 taonany, dia nandohalika i Rose ary niaiky tamin’Andriamanitra ireo olany rehetra, ny fahamelohany, ary ny famoizampony. Nandray ny fahateraham-baovao sy ny famelana ireo fahotany izy, ary afaka tamin’ny vesatry ny fanompoana hery miafina. Faly izy namaky ny andinin-tSoratra Masina hoe : „Ny asan’ny fahamarinana, ho fiadanana ; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fatokiana mandrakizay” (Isaia 32:17). Hoy izy nitantara : „Tamin’ny heriko manontolo no nanolorako ny foko ho an’Ilay Mesia, Ilay Mpamonjy, ny Tompo Jesosy. Tamin’izay fotoana izay dia natolotro Azy koa ny fiainako.”
Avy eo izy dia niresaka tamin’ny Jiosy tany Hongria sy Slôvakia ny dikan’i Jesosy avy any Nazareta, ho azy, sy ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha tanteraka ao amin’i Jesosy. Rehefa avy niaina ny hery mitroatra ao amin’ireo demonia i Rose, dia afaka nahatsapa fa mahery kokoa Andriamanitra, noho izay rehetra mety ho hery eto amin’izao tontolo izao. Nandritra ny Ady lehibe faharoa aza izy dia sahy nitolo-batana tamin’ny manamboninahitry ny polisy-miaramila alemana, mba hanaraka olona natao sesitany sy hiresaka ny Filazantsara amin’izy ireo. Sisam-paty tany amin’ireo toby fampivangongoana babo izy, ary nijoro ho vavolombelon’ny finoany nandritra ny taona maro, tany Israely.
(tapitra)