Asabotsy 20 Novambra 2027

Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô ; ary tariho… Salamo 27:11

Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana ; velomy amin’ny làlanao aho. Salamo 119:37

 

Ny torimaso : manaiky hampatorian’i Satana (2)

Imbetsaka i Samsona no niaina ny maha loza ny mikambana amin’ireo izay manohitra an’Andriamanitra, nefa miharihary fa tsy nandray lesona tamin’ireo fahadisoany izy (Mpitsara 14:1-19). Ny fiainany dia mampiseho fa nanaiky hotarihin’ny fifandraisany amina vehivavy mifanena aminy tany amina firenena fahavalo izy. Efa niteny taminy imbetsaka anefa Andriamanitra, saingy niantehitra tamin’ny heriny samirery izy, hanoherany ny ratsy. Ny tohin’ny tantarany dia mampiseho amintsika hoe hatraiza ny naha diso hevitra azy (Mpitsara 16:4-31).

Tsy niova tetik’ady i Satana. Katsahiny ny hanalavirantsika an’Andriamanitra sy hampalemy ny fieritreretantsika. Ho amin’izany izy dia afaka mampiasa izay rehetra fironantsika, anisan’izany ireo izay toa tsara sy tsy manimba. Ny fiarahamonina dia manolotra fialamboly maro afaka mampanadino antsika an’Andriamanitra sy maka ny toerany ao am-pontsika. Tsy hoe tokony hampitsahatra izay rehetra ataontsika tsy akory isika, ary handeha mitokana any an-taniefitra, mba handositra ny fitaoman’izao tontolo izao. Antsoin’Andriamanitra tsotra fotsiny isika hiara-miaina aminy ny toejavatra tsirairay. Jesosy mihitsy no miteny amin’Andriamanitra, momba ny mpino, hoe : „Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy” (Jaona 17:15).

Ho amin’izany dia ndao hahatsiaro ny fampanantenan’ny Tompo hoe : „Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Tsy vitantsika, mihoatra an’i Samsona, ny manohitra samirery ny fakam-panahy. Nefa raha mipetraka eo ambany mason’ny Tompo isika, amin’ny fotoana rehetra iainantsika, dia ho afaka mandrava ny tetik’i Satana, izay mitady hampatory antsika. Ho afaka mivoaka ho mpandresy isika amin’izany, miaraka amin’Andriamanitra.