Alahady 21 Novambra 2027

Niandry antra aho, fa tsy nisy. Salamo 69:20

Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Ianao ? … Aza manalavitra ahy Ianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy. Salamo 22:1, 11

 

Tsy nisy an’iza na iza (1)

Asehon’ny Baiboly antsika Jesosy nitebiteby mafy, fotoana fohy talohan’ny hanomboana Azy eo amin’ny hazofijaliana. Nentiny niaraka taminy ireo mpianany telo akaiky Azy indrindra, ary nangatahiny hiara-miari-tory aminy. Avy eo dia nihataka Izy, niatrika ady mafy tao anatiny, ary nanoa ny sitrapon’ny Rainy sy nanaiky ny fampijaliana miandry Azy, izay hany lalana hanavotana olombelona very. Niverina teo amin’ny mpianany Izy, nefa natory izy ireo. Tsy nahavita niara-niari-tory taminy : tsy nisy an’iza na iza niombom-po taminy, araka ny maha Olona Azy, tamin’ny fotoana nilany izany indrindra.

Tatỳ aoriana, rehefa tonga hisambotra Azy ny miaramila, noho ny nivadihan’i Jodasy, dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ary nandositra (Matio 26:56). Avy eo dia nandà Azy intelo i Petera. Ary nampijaly tsy nisy antra Azy ny miaramila. Farany dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy. Nandritra ny adiny telo Izy dia niharana fanarabiana feno hasiahana. Nesoina ihany koa aza ny fatokiany an’Andriamanitra. Tsia, tsy nisy an’iza na iza nitondra fampaherezana, na kely aza, an’i Jesosy ! Ny fiombonany amin’ny Rainy sy ny fitiavan’ny Rainy no hany nanohana Azy, nandritra io fotoana mampihoron-koditra io.

Nefa hiaritra zavatra mbola mafy kokoa noho izany Jesosy. Taorianan’ireo ora telo voalohany niaretany ny fijalijaliana, dia nandrakotra ny tany ny haizim-pito, nandritra ny ora telo manaraka. Avy eo Izy dia niantso mafy, araka ny ambaran’ny Salamo 22, hoe : „Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?” Tsy maintsy nafoin’Andriamanitra Izy, satria nivesatra ny fahotantsika teo anatrehany, ary nizaka ny fanasaziana ireo fahotana ireo. Tamin’io fotoana io koa dia tsy nisy an’iza na iza, na Andriamanitra nametrahany ny fitokisany aza !

(hitohy)