Alatsinainy 22 Novambra 2027

Ny Tompo nitsangana teo anilany (teo anilan’i Paoly) ka nanao hoe : Matokia. Asan’ny Apostoly 23:11

Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra… Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako, ka nampahery ahy. 2 Timoty 4:16-17

 

Tsy nisy an’iza na iza (2)

Ny apostoly Paoly dia nogadraina satria mahery fo nijoro ho vavolombelon’i Jesosy Kristy. Nentina teo anatrehan’ny fitsarana ara-pivavahana tamin’izany fotoana izany izy (Asan’ny Apostoly 23:1-10). Rehefa niandoha ny fanadihadiana, dia nahery vaika izy niteny tamin’ny mpisoronabe, avy eo niaiky ny fahadisoany. Taorianan’izany izy dia niresaka momba ny fitsanganana velona indray, ka nahatonga ady hevitra niteraka fisavorovoroana be, hany ka tsy maintsy narovana izy mba tsy hovonoin’ny vahoaka.

Izao izy ao anatin’ny efitrakely nigadrany. Toy inona moa ny mety nahatsiarovany tena ho irery tao ! Ary angamba nanenina ihany koa izy nanao teny tsy voahevitra, izay hanaovany azafady atỳ aoriana (Asan’ny Apostoly 24:20-21). Tamin’ny alina nanaraka izany izy dia niaina toejavatra mampihetsi-po : „Ny Tompo nitsangana teo anilany ka nanao hoe : Matokia !”

Tatỳ aoriana dia tany an-tranomaizina indray i Paoly, rehefa hifarana ny andro iainany. Teo koa izy dia nahatsiaro ho tena irery, nanoloana ny fandaozan’ny maro tamin’ireo olona nampianariny. Nolazainy ny fitsarana azy vao haingana, ary nanoratra ho an’i Timoty izy hoe : „Tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra”. Nefa teo koa i Paoly dia mbola niaina ny fikarakaran’ny Tompony azy, fikarakarana manohina fo, ka nahatonga azy hanampy hoe : „Ny Tompo nitsangana teo anilako, ka nampahery ahy”.

Jesosy dia niaina fotoana naha irery tanteraka Azy. Nitalaho tamin’ny Andriamaniny Izy hoe : „Aza manalavitra ahy Ianao, fa … tsy misy mpamonjy” (Salamo 22:11). Nefa taorianan’izany dia tsy hisy ilaozany mihitsy, na iray aza, ireo izay mino Azy. Azo antoka ny fampanantenan’ny Tompo hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). „Fa hoy Izy : Izaho tsy handao anao mihitsy, na hahafoy anao akory” (Hebreo 13:5). Filaminana anie izany e !

(tapitra)