Talata 23 Novambra 2027
Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana. 2 Timoty 4:7-8
Manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:13-14
Ao amin’ny Baiboly, ny kristiana dia matetika oharina amina mpanao fanatanjahantena mihazakazaka mba hahazo loka. Ny faratanjon’ny fihazakazahany dia ny lanitra, izay hisy azy mandrakizay miaraka amin’i Jesosy Mpamonjiny. Fihazakazahana mandritra ny fiainany manontolo io. Ary mba hahatsara izany, dia tsy maintsy manala ny vesatra rehetra mety hampiadana ny fandeha. Hoy ny mpanoratra ny epistily ho an’ny Hebreo : „Aoka isika … hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika” (Hebreo 12:1-2). Manaisotra ny ota ve ? Voalohany indrindra, mahita ny ota ao anatin’ny fontsika, mandray izany ho adidy, miaiky izany, mibebaka noho izany, mandrava ny fangejan’ny fahazarantsika sasantsasany… Tsy irery isika ho amin’izany ! Namela heloka antsika Kristy, ary te hanampy antsika : Izy no hitondra ny enta-mavesatsika sy hampianatra antsika handeha „amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6:4). Afaka mahita fanampiana ihany koa isika, eo amin’ireo namantsika kristiana.
Nefa tahaka ny mpanao fanatanjahantena dia mbola afaka mandeha lavitra kokoa ny kristiana, amin’ny fitandroana fahasalamana. Mba ho mpandresy, ny mpino dia mila ny herin’ny finoana an’Andriamanitra ; koa hokatsahiny ny hikolokolo ireo toetra tsara ara-panahiny, amina fifandraisana akaiky sy tsy tapaka amin’Andriamanitra. Manoloana ny sakana tsirairay eo amin’ny lalany, dia hodinihiny raha hanampy azy hihazakazaka tsara kokoa ny fanapahan-kevitra raisiny, na mainka hampiadana ny fandehany. Ho amin’izany dia hivavaka izy mba hotoloran’Andriamanitra saina.
Iray ny tanjontsika rehetra, iray ny antony manosika antsika, dia ny hahafaly an’i Jesosy Kristy, Izay mandeha eo anoloantsika, mandra-pahatongantsika any amin’ny fitsaharana mandrakizay. Fanamby mahafinaritra tokony hatrehintsika !