Alarobia 24 Novambra 2027

Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy. Salamo 139:14

Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ny tany, no hitondrantsika ny endrik’Ilay any an-danitra koa. 1 Korintiana 15:49

Koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo. 1 Korintiana 6:20

 

Mahazo aina tsara aho

„Mahazo aina tsara aho, nataon’Andriamanitra araka izay tokony ho izy” : izany tonona hira natao ho an’ny ankizy izany dia mampirisika antsika rehetra, tanora sy zokinjokiny, hatoky Ilay Mpahary antsika (Mpitoriteny 12:1). Andriamanitra dia mahafantatra ny zavatra rehetra. Hoy Izy tamin’ny mpaminany Jeremia, mba hampahery azy : „Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro” (Jeremia 1:5).

Angamba ny vatantsika tsy mifanaraka amin’ny fenitry ny hatsaran-tarehy asehon’ny haino aman-jery, nefa Andriamanitra dia afaka mampiasa sy te hampiasa izany ho Azy. Ampirisihin’ny apostoly Paoly ny mpino mba hanolotra ny tenan’izy ireo ho „fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hatao (nareo) izany” (Romana 12:1). Nanimba ny voary ny ota nampidirin’ny olona, ary nahatratra ny olona tsirairay ; na izany aza anefa, Andriamanitra, Izay tia ny olombelona, dia nanome fanarenana. Tonga Jesosy Kristy mba hanaisotra ny fahotan’ireo izay mino Azy, ary hanome azy ireo aina vaovao : ny ain’i Jesosy Kristy mihitsy, Izy Izay maty sy nitsangana velona indray. Raha mandalo fahafatesana isika alohan’ny fiverenan’ny Tompo, dia hanjary vovoka ny vatantsika indray andro any, noho ny ota, nefa hovelomina indray, noho ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao amin’ny mpino (Romana 8:11). Izy Jesosy mihitsy no hanova ny tenantsika, izay voamariky ny fahalemena, mba hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny (Filipiana 3:21). Dia „ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3:2). Hery manosika toy inona moa izany, ry kristiana ! mba hikarakarantsika ny vatantsika, saingy tsy hankamamy azy izaitsizy, mba tsy hanimbantsika azy, fa hampiasa ireo fahafaha-manao ara-batana sy ara-tsaina nomen’Ilay Mpahary antsika, ho fanompoana sy fanajana Azy.