Alakamisy 25 Novambra 2027
Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana (dia manana fihavanana) amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1
Ny rany (ny ran’i Jesosy) teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana. Kolosiana 1:20
Ny fiadanan’Andriamanitra manoloana ny fahafatesana
Inona no loharanon-kerintsika manoloana ny fahafatesana ? Ny fahafahana miaritra fijaliana ve ? sa ny finoana ny lahatra ? na sekoly mampianatra foto-pisainana hafa ? Ny kristiana dia mahafantatra fa vita fihavanana amin’Andriamanitra izy ; koa tsy misy tokony hatahorany ny fahafatesana. Io fihavanana io dia miorina amin’ny asan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana : maty Izy hamonjy ireo izay mino Azy. Izy no nizaka ny fahatezeran’Ilay Andriamanitra masina noho ny ota. Voasaron’ny asa nataon’i Jesosy ny otantsika, ary natsangan’Andriamanitra ho velona indray Izy. Nanomboka hatreo dia „tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1). Nanao fampihavanana tamin’ny rany teo amin’ny hazofijaliana Izy (andinin-tSoratra Masina androany), ary nandringana ny herin’i Satana sy ny fahafatesana, izay nampihorohoro antsika (Hebreo 2:14) ; tamin’izany no nanokafany lalana ho antsika, dia ny lalan’ny fiainana mandrakizay (Jaona 17:2).
Ilay Mpamonjintsika mihitsy no efa nandalo ny fahafatesana. Isika ihany koa, manaraka Azy, dia afaka mitoky am-pitoniana amin’Ilay Andriamanitra Raintsika. Ny fananana fiadanana manoloana ny fahafatesana, ho an’ny kristiana, dia lalana an’ny isambatanolona, lalana sarotra, nefa fantany fa hahita Ilay Andriamanitra tia azy sy nitokiany izy. Rehefa vita fihavanana amin’Andriamanitra aho ary tsy matahotra ny fahafatesana, dia mahery fo kokoa miatrika ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, satria mahafantatra fa tsy irery, mahafantatra fa miaraka amiko Jesosy. „Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva, amin’ny zavatra rehetra” (2 Tesaloniana 3:16).
Ao aminao aho, ry Andriamanitra Mpamonjy, dia manana fiadanam-po ;
Nanao ny zavatra rehetra ho ahy Ianao ;
Ary eo amin’ny fahamarinanao no iorenan’ny finoako.
Koa miaina am-piadanana aho, satria mahafantatra
Fa na ao amin’ny fahafatesana aza,
Dia Kristy no fiereko, andry iankinako, mànda fiarovana ahy.