Zoma 26 Novambra 2027
Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho… Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao no amiko. Salamo 23:1, 4
Tompo ô, aoka aho hitoetra ao amin’ny fiadananao
Tompo ô, aoka aho hitoetra ao amin’ny fiadananao,
Rehefa mipaika ny fara orako !
Aoka ny fitiavanao no hitoetra mandrakizay
Amiko, izay mihelina ihany !
Rehefa malazo ny voninkazo eny an-tsaha,
Sy hifarana tsy ho ela intsony ny androko,
Noho ny teninao, ry Andriamanitra velona,
Dia aoka hisy andro vaovao hiposaka ho ahy !
Jesosy ô, nialoha lalana anay Ianao
Tao anatin’ny tebitebin’ny fahafatesana ;
Nefa nitsangana velona indray Ianao,
Ka noho izany dia resy io fahavalo io.
Fantatrao fa marefo aho ;
Ianao te handray ahy ho ao amin’ny voninahitrao,
Ho ao amin’ny fifalianao, ry Ilay nitsangana velona indray.
Mino ny fandresenao aho, ry Tompo !
Sambatra izay mitoky aminao !
Omenao fanantenana indray ireo izay mitomany.
Izay mino Anao dia ho velona :
Ampanantenainao an’ireo izay ho faty izany.
Andriamanitro ô, arovy hatrany ny ankohonako,
Ao amin’ny asany sy fisasarany ;
Ataovy manankarena amin’ny zavatsoanao rehetra izy ireo,
Ary ataovy mamy sy tony ny fiainany !
Charles Ecklin