Asabotsy 27 Novambra 2027

Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy… Nivavaka [Izy]… Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ny mpianatra ka nahita azy matorin’alahelo. Lioka 22:39-45

Efa nilondolondo ny masony. Matio 26:43

 

Ny torimaso : tsy matory, miambina (3)

Nandany alina manontolo Jesosy mba hivavahana (Lioka 6:12). Ny andro mialoha ny hanomboana Azy eo amin’ny hazofijaliana, rehefa avy nanorina ny Fanasan’ny Tompo Izy, dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona mpianany hiaraka aminy, nankany Getsemane, ary „niankohoka ka nivavaka”. Alina ny andro, raiki-tory ny mpianatra. Ny evanjelista Matio sy Marka dia nanoratra hoe : „Efa nilondolondo ny masony”, toy ny novesaran’entana. Lioka dia nanambara fa „matorin’alahelo” ireo mpianatra, nalahelo mafy. Indroa ny mpianatr’i Jesosy no nangatahiny mazava tsara hiambina, mba tsy ho azon’ny fakam-panahy. Nefa nony niverina teo amin’izy ireo Izy, rehefa avy nivavaka tamin’ny Rainy mba tsy hampihatra aminy, Izy Izay Masina, ny fanasaziana noho ireo fahotantsika, dia nalahelo nahita azy ireo matory : „Hay ! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko, na dia ora iray ihany aza, ianareo !” (Matio 26:40).

Tahaka ireo mpianatra, isika dia mety „matory” koa, mety tsy miambina intsony. Amin’izay isika dia tandindomin-doza hanota, tahaka an’i Petera, izay handà ny Tompony. Marina fa tsy mora ny miambina. Mila ezaka mba handosirana ireo toejavatra mety hahatonga antsika tsy hanome haja an’Andriamanitra. Nefa Jesosy tsy mamela antsika tsy hanana fomba hanoherana. Angatahiny ireo izay tia Azy mba hiambina… sy hivavaka ! Manan-danja izany fampirisihana izany, mampahatsiahy antsika fa tsy hahavita miambina ela isika amin’ny herintsika samirery, nefa eo mandrakariva Andriamanitra, vonona hanampy antsika.

Aoka isika hiambina mba tsy halaim-panahy, hiambina mba hiandry ny fiverenan’ny Tompo Jesosy !