Alahady 28 Novambra 2027

Ireo dia mibanjina sady mangarika ahy. Mizara ny fitafiako ho azy izy, ary ny akanjoko ilokany. Salamo 22:17-18

Safotry ny henatra ny tavako. Salamo 69:7

 

Henatra sy fahafaham-baraka

Talohan’ny hanomboana an’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana dia nesorina taminy ny akanjony. Izy, Izay nanana fahatohinam-po lavorary araka ny maha olona Azy, dia nahanjahanja teo amin’ny hazofijaliana, ho hitan’ny olona rehetra. Nodinihina teo Izy, tsy nisy ahotrahotra na fitsimbinana. Misy salamo mampahafantatra ny fihetsehampon’Io Olona lavorary sy mora tohina tsy misy fetra Io, manoloana ny fomba tsy mendrika natao taminy, Izy Ilay Mpahary. Niteny tamin’Andriamaniny Izy hoe : „Ianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro” (Salamo 69:19).

Fony naniraka ny Zanany malala hamonjy ny olona Andriamanitra, dia niteny hoe : „Hanaja ny zanako izy” (ireo mpiasa tany, Marka 12:6). Nefa dia hita ny navalin’ny olona… Tsy nisy zava-mahamenatra tsy natao an’Ilay Mpamonjy. Haratsian-toetra tsy hay lazaina no nasehon’ny olona, tamin’ny nanomboany teo amin’ny hazofijaliana ny Mesia, Ilay Lehilahy Mpanao ny tsara sy mahitsy, feno fanetrentena sy malemy fanahy.

Manambara ny Baiboly hoe : „Mendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy… Nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny”. Mahay miara-mitondra amintsika ny fahalementsika Jesosy ; any an-danitra Izy ankehitriny, mivavaka ho antsika, (Hebreo 2:17-18 ; 4:15). Afaka mahatakatra ny mahazo ny olony Izy, satria niaritra fahafaham-baraka ampahibemaso sy fanambaniana tsy hay ambara amin-teny !

Misy mpino mandalo toejavatra mampahory na manala baraka azy ireo : gadra savaina tsy ananana antra, vehivavy ampijaliana, kristiana enjehina any amin’ny toerana rehetra anaovana tsinontsinona ny fampianaran’ny Baiboly. Hamamiana toy inona ny mahatsapa ny fiombonam-pon’ny Zanak’Andriamanitra ! ao anatin’ireny toejavatra ireny.