Alatsinainy 29 Novambra 2027
Hoy Jesosy : Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony. Jaona 8:11
Ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17
Vao maraina Jesosy dia nampianatra teo an-kianjan’ny Tempoly. Tampoka teo dia nisy lohandohany ara-pivavahana nitondra vehivavy iray ary nametraka azy teo anoloan’i Jesosy. Nanapaka ny fampianaran’i Jesosy izy ireo, nanontany Azy hoe : „Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tànana nijangajanga. Ary ao amin’ny lalàna, Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany ; fa ahoana kosa hoy Ianao ?” Tsy izay hanjo io vehivavy io no nahamaika azy ireo —tsy nentin’izy ireo rahateo ilay lehilahy niaraka taminy, izay meloka tahaka azy-, fa ny hamandrika an’i Jesosy ho manohitra ny lalànan’i Mosesy na ny hafatra mitory fitiavana entiny. Niondrika Jesosy ary nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsantanany. Avy eo Izy dia nitraka ary niteny hoe : „Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. Izany teny izany dia nametraka azy ireo teo ambany fanazavan’ny fieritreretany ; koa „nivoaka tsirairay hatramin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrinjandriny” izy ireo. Tsy nisy, na iray tamin’izy ireo aza, sahy nilaza teo anatrehan’ny olona rehetra hoe tsy manana ota, samy nahafantatra ny tenany ho meloka izy rehetra. Tafajanona irery niaraka tamin’i Jesosy ilay vehivavy, ary hoy Izy taminy : „Ravehivavy, aiza ireny ? Tsy nisy nanameloka anao va ? Ary hoy izy : Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy : Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony”.
Mandraka androany Jesosy dia mbola manolotra fahasoavana sy famelan-keloka ho an’ireo rehetra miaiky fa mpanota eo anatrehany. Ary omeny miaraka amin’izany ny fahafahana miaina fiainam-baovao, sy ny faniriana hanao izay mahafaly Azy, amina fitondrantena misaraka amin’ny ota.