Talata 30 Novambra 2027

Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:7

 

Ny fihavanana amin’Andriamanitra, ny fiadanan’Andriamanitra

Iza no tsy maniry fiadanana ? Fanantenana, nofinofy, ary ezaka toy inona moa no ateraky ny fiadanana ! Nefa dia fiadanana mamitaka io… Porofon’izany ny tantaran’ny zanak’olombelona tsy mitsahatra miady. Ny olona mikomy amin’Andriamanitra ve afaka hahita fiadanana ? Ny firenena dia miezaka hametraka lamina maneran-tany vaovao, mba hanjakan’ny fiadanana amin’izay, ao anaty tontolo tsaratsara kokoa. Ny Baiboly dia milaza fa hambara ampahibemaso io fiadanana mamitaka io, indray andro any, nefa „raha misy olona manao hoe : Miadana sy mandry feizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana” (1 Tesaloniana 5:3).

Andriamanitra dia antsoina hoe „Andriamanitry ny fiadanana” (Hebreo 13:20). Tsy misy, na inona na inona, afaka manova ny maha Izy Azy. Mifanohitra amin’izany, ny olombelona noarìna tahaka ny endriny dia nanjary fahavalony, satria ninia tsy nankatò. Nefa tia ny olona Andriamanitra, ka tsy nianina tamin’io tsy fankatoavana io. Tonga tetỳ an-tany Izy, nanokatra lalana famitranam-pihavanana ho an’ny fahavalony. Ho amin’izany Jesosy dia nanao fampihavanana tamin’ny „rany teo amin’ny hazofijaliana” (Kolosiana 1:20). Vita fihavanana amin’Andriamanitra ny olona izay mino fa manadio azy ho afaka amin’ireo fahotany ny ran’ny Kristy. Mandray aim-baovao mampifandray azy amin’Andriamanitra izy. Koa mameno azy ny fiadanan’Andriamanitra, na dia eto amin’izao tontolo ankehitriny izao aza, tontolo voamariky ny tsy fandriampahalemana sy ny ady. Tanaty toejavatra toy izany dia nisy voafonja nihira tao an-tranomaizina : „Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina… Ary nony mamatonalina dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy ; ary nihaino azy ny mpifatotra” (Asan’ny Apostoly 16:23-25). Mandraka ankehitriny ny mpino dia afaka misitraka io fiadanan’Andriamanitra io.