Alarobia 1 Desambra 2027

Tsy tahaka ny afo va ny teniko ? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va ? Jeremia 23:29

 

Manorotoro ny vatolampy

Vao avy nanome Baiboly ho an’i Robert mpiara-monina aminy i Jeanne, izay kristiana. Tezitra tamin’izany io lehilahy io, ka nilaza taminy fa hodorony avy hatrany ilay boky. Na nitalaho mafy aza ny vadiny, dia nongotany tsirairay ny pejy, ary natsipiny tao anaty afo. Saingy nisy pejy iray latsaka tamin’ny tany, fa tsy hitany. Notsimponin’ny vadiny ilay izy, nefa nalain’i Robert teny an-tanany, mba hodorany toy ireo hafa. Alohan’ny nahatongavan’ilay pejy teo amin’ny lelafo anefa, dia nanintona ny mason’i Robert ny teny hoe : „Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona” (Matio 24:35).

Tsy nahita tory i Robert ny alin’io. Nony maraina izy dia niteny tamin’ny vadiny hoe hankany amin’i Jeanne, hametraka fanontaniana aminy. Faly izaitsizy ravehivavy noho io fiovan-kevitra io, ary tsy andriny izay hiverenan’i Robert. Rehefa niverina izy dia nitondra Baiboly iray hafa, nomen’ilay mpiara-monina aminy. Hamaky tsara izany izy, ka hahita ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ; dia hanova ny fiainany izany. Mbola nanaporofo indray ny Tenin’Andriamanitra fa kanonta manorotoro ny vatolampy (andinin-tSoratra Masina androany).

Manambara Andriamanitra hoe : „Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako : tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy” (Isaia 55:11). Hoy koa ny Baiboly : „Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe : Aza manamafy ny fonareo” (Salamo 95:7-8).