Alakamisy 2 Desambra 2027

Fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra. Efesiana 2:8

Misy ny sasany mampitabataba anareo, ka ta hamadika ny filazantsaran’i Kristy. Galatiana 1:7

 

Mamery ny famonjena azony ve ? (1)

Teny mampikorontan-tsaina : vakio Hebreo 6:4-6

Florian dia mino ny andinin-tSoratra Masina androany, izay manambara hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny famonjena. Fantany fa voavonjy izy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny finoana. Nefa vao tsy ela dia nisy andinin-tSoratra Masina sasantsasany nampikorontan-tsaina azy, ao amin’ny Baiboly. Mety hahavery ny famonjena ve ny fitondrantena ratsy ? Ary raha very tokoa moa izy ?… Lasa izy nankany amin’i Philippe, kristiana namana zokiny kokoa ara-taona, ary nilaza taminy ny fanahiany :

— Ny lahatsoratra ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo 6:4-6 dia miresaka olona ohatra ny kristiana, nefa tsy antenaina hibebaka intsony. Ahoana no afaka hampisy an’izany ? Izao no navalin’i Philippe :

— Io lahatsoratra io dia matetika mampitebiteby olona tena mpino, satria raisina ivelan’ny tontolo manodidina azy. Izy io dia miresaka ny fialana amin’ny finoana sy fiainana kristiana, rehefa toa efa nanaraka izany. Misy olona nifanerasera tamina kristiana, ary niaina teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina teo anivon’ireo kristiana ireo, fitarihana mitondra soa ho azy ireo. Saingy na teo aza izany rehetra izany, ireo olona ireo dia tsy nanana ny finoana manokana handraisany ny Tompo ho Mpamonjiny, ka rehefa avy niseho ho kristiana, dia ninia nandà ireo fampianaran’ny Baiboly, ary ninia nandà ny Kristy tenany mihitsy. Ny olona mitsipaka ny finoana sy fiainana kristiana dia tsy matahotra hamery ny famonjena azony : mandà ny Kristy izy, ary tsy te hahare resaka momba Azy intsony ! Koa hitanao fa io lahatsoratra io dia tsy mahakasika velively mpino efa an’ny Tompo, nefa nanalavitra Azy nandritra ny fotoana voafetra.

(hitohy)