Zoma 3 Desambra 2027
(Hoy Jesosy :) Ny ondriko … Izaho mahalala azy… Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra ; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tànan’ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Jaona 10:27-30
Takatr’i Florian tsara kokoa ny lahatsoratra omaly (Hebreo 6:4-6), izay nampikorontan-tsaina azy, nefa mbola nanahy ihany izy, nieritreritra hoe ho very ny famonjena azony, satria ratsy ny fitondrantenany. Nanohy niresaka momba ny fanahiany izy, tamin’i Philippe namany, izay nanazava hoe :
— Fantatrao ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Jaona 1:12-13 hoe : Ireo rehetra izay nandray an’i Jesosy dia „nomeny hery (na : zo) ho tonga zanak’Andriamanitra”, izany hoe „hanjary zanak’Andriamanitra, haka io toerana io”, toerana omen’Andriamanitra. Alaivo an-tsaina hoe nanao zavatra ratsy tamin’ny rainao ianao. Dia tsy ho zanany intsony ve ianao ?
— Tsia, mazava ho azy !
— Koa ahoana moa ianao no afaka ho zanak’Andriamanitra indray andro, ary tsy ho zanany intsony ny ampitso ? Raha „naterak’Andriamanitra” ianao (Jaona 1:13), dia naterany indray mandeha tsy miverina ! Mety hiharatsy ny fifandraisanao amin’ny Rainao, ary mety ho tapaka mihitsy aza, mandritra ny fe-potoana voafaritra, noho ny fitondrantenanao, nefa na oviana na oviana ianao tsy mitsahatra tsy ho zanany. Nanoratra ny apostoly Jaona hoe : „Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13). Mino ve ianao fa mety hanana ny fiainana mandrakizay ny olona indray andro, nefa hamery izany avy eo ? Tsy ho fiainana mandrakizay izany !
— Nanaiky i Florian hoe marina izany.
— Rehefa miresaka ny ondriny Jesosy, dia manambara fa tsy misy maharombaka azy ireo amin’ny tanany, na amin’ny tanan’ny Rainy. Filaminana azo antoka izany e ! ho an’ilay ondry. Tsy misy olona mahery noho Andriamanitra ! Napetraky ny Rain’i Jesosy eo ampelatanany ianao, ka aoka hahazo antoka fa mikarakara anao Izy ary tsy hamery anao (Jaona 17:12).
(tapitra)