Asabotsy 4 Desambra 2027
Nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy Petera tamin’iny alina iny, sady voafatotra tamin’ny gadra roa izy… Ary, indro, nisy anjelin’ny Tompo … namoha azy ka nanao hoe : Mitsangàna faingana… Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe : Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny, ka namonjy ahy tamin’ny tànan’i Heroda. Asan’ny Apostoly 12:6-7, 11
Momba an’i Jona natory tao anaty lakalin’ny sambo nitondra azy lavitry ny lalana nasain’Andriamanitra nizorany, dia nisy namako nanoratra hoe : „Zava-doza, rehefa tsy manakana antsika tsy hahita tory intsony ny tsy fankatoavantsika !” (Jona 1:5).
Nanota be ny apostoly Petera, nandà ny Tompo, nefa „nitomany mafy indrindra” izy (Lioka 22:62), niaiky ny fahadisoany, ary tena nibebaka. Nivavaka ho azy Jesosy (and 32), ary nanankina andraikitra taminy, hiandry ny ondrin’ny Tompo (Jaona 21:16-17). Ankehitriny dia migadra noho ny finoany izy, izay tsy sahy niaiky ho nahafantatra an’i Jesosy, talohan’izany. Nefa voavela ny fahadisoany lasa, tsy manakana ny fifandraisany amin’ny Tompony intsony, ary tsy manavesatra ny fieritreretany intsony. Dia io izy matory ao an-tranomaizina, mifatotra rojo vy eo anelanelana miaramila roa lahy, tamin’ny andro mialoha ny hamonoana azy ! Tsy torimaso mahameloka intsony io, tsy torimason’ilay mpianatra tsy nahazaka „niari-tory na dia ora iray ihany aza” tamin’i Jesosy tao Getsemane, fa fialan-tsasatr’ilay vavolombelon’ny Kristy nametraka ny zavatra rehetra eo ampelatanan’ny Tompony : fialan-tsasatra tsy voahelingelin’inona na inona. Niainany tamin’izany ny tenin’ny mpanao salamo hoe : „Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko ?” (Salamo 118:6). Petera mihitsy aza no hanoratra atỳ aoriana, hoe : „Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo” (1 Petera 5:7). Taminy dia zavamisy ny fiadanan’ny fo sy fieritreretana, zavamisy niarahany niaina tamin’ny Kristy.
Rehefa Jesosy no Mpamonjintsika, rehefa apetratsika aminy ny fiainantsika, rehefa katsahintsika ny sitrapon’Andriamanitra mba hotanterahintsika, dia „aza manahy na inona na inona” (Filipiana 4:6), matoria am-pilaminana !