Alahady 5 Desambra 2027
(Hoy Jesosy :) Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia. Jaona 13:34-35
„Tsy avonavona mandrakariva, na di-doha, na hateren-tsaina mampifikitra amin’ny tanànan’ny tena no mampisaraka ny kristiana. Fa fihazonan’ny tsirairay, araka ny finoany latsa-paka, izay heveriny ho fahamarinana. Ny fahatafintohinana dia tsy voatery ho ny tsy fahavitantsika rehetra misaina sy mino zavatra mitovy. Fa ny manafintohina dia ny tsy fahavitantsika miaina am-pirahalahiana eo amin’ny samy kristiana, rehefa misaina sy mino amina fomba tsy mitovy !” (Philippe Zeissig).
Aza hadinointsika ny teny farany nolazain’i Jesosy ny mpianany, ny alina hamadihana Azy, hoe : „Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa”.
Isika ve tsy nantsoin’i Jesosy mba hifankatia ? na dia mieritreritra aza hoe tsy afaka miara-miaina ny fiainam-piangonana eo an-toerana amina kristiana sasantsasany, mba ho fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra sy tsy fivadihana amin’ny Tompo. Ireny fahasamihafana ireny dia miantraika amin’ireo fifamatorana mampiombona antsika, araka ny maha kristiana antsika ; nefa indrindra indrindra, aza ataontsika tsinontsinana ny rahalahy sy anabavintsika. Ndao hitsipaka ny foto-pampianarana diso, indrindra ireo izay mahakasika an’i Jesosy, ny tenany, ny asany, ary tsy hifampitsara, tsy hifampitahiry alahelo… Matetika loatra ny fahasamihafana eo amintsika no raisina ho rindrina ; nefa tsy aleo ve izy ireny jerena ho toera-malalaka ahafahan’ny rehetra mifanatona am-pitiavana sy an-katsarampo ? Mba tokony hampahory antsika ny fisaratsarahantsika, nefa mba tokony handrisika antsika ihany koa hahatakatra ny hafa, sy hifampivavaka. Ndao hifampahery hiady mba „hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina” (Joda 3), fa tsy zavatra hafa na inona na inona.