Alatsinainy 6 Desambra 2027

Maria… nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo, ka nihaino ny teniny. Lioka 10:39

Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho. Jeremia 7:23

 

Fampieritreretana

Izay manampina ny sofiny androany amin’ireo antson’Andriamanitra, dia mihantsy an’Andriamanitra hanampina ny sofiny rehefa mamoy fo io olona io, indray andro any.

Ny Baiboly dia tsy boky miresaka literatiora, na fitsipi-pitondrantena, na tantara. Alohan’ny zava-drehetra izy dia ilay Boky itenenan’Andriamanitra amin’ny fieritreretana sy fon’ny olona.

Ny fahaterahan’i Jesosy dia nitondra an’Andriamanitra teo amin’ny olona, nefa tsy maintsy nilaina ny fahafatesany, mba hitondra ny olona hanatona an’Andriamanitra.

Ny fibebahantsika dia mamoha varavarana irotsahan’ny fahasoavan’Andriamanitra. Nefa tsy ny fibebahana no mahavoavonjy antsika, fa Jesosy irery ihany sy ny sorona nataony.

Aza mibaiko an’Andriamanitra isika rehefa mivavaka, fa ndao hiseho eo anoloany mba handray ireo torolalany.

Eo amin’izay iasan’ny Tompo dia tsy miato amin’ny asany na oviana na oviana ny devoly.

Afaka fintinina toy izao ny antokom-pivavahana rehetra foronin’ny olona : manao zavatra ho an’Andriamanitra aloha, avy eo mahazo avy aminy izay heverintsika fa mendrika antsika.

Ny foto-pinoana kristiana, araka ny amaritan’ny Baiboly azy, dia mandray avy amin’Andriamanitra aloha, mba ho afaka manao zavatra ho Azy, avy eo.