Talata 7 Desambra 2027

Efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao. Titosy 2:11-12

Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Galatiana 5:16

 

Ny „bug” (Ny maha tsy tomombana) ao amin’ny olombelona

Araka ny mpanoratra ny boky „Le bug humain”, ny atidohantsika hono dia misy tsy tomombana efa hatramin’ny fahatorontoronina, „bug” mahatonga ny olona ho ratsy fitondrantena.

Ny Baiboly dia mampahatsiahy fa ny olombelona dia noarìn’Andriamanitra tahaka ny endriny (Genesisy 1:26). Izy irery no afaka mifandray amin’ny Mpahary azy. Tao an-tsaha Edena dia nifampiresaka taminy Andriamanitra. Nefa tsy nankatò an’Andriamanitra ny olombelona, ary nandika ireo didiny. Notoloran’i Satana hevitra izy hoe afaka manjary mitovy amin’Andriamanitra, raha mihinana voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nino azy i Adama sy Eva, ka nahazo fahatongavan-tsaina ara-pitondrantena. Tamin’io fotoana io indrindra no simba ny toetran’ny olombelona. Nanomboka hatreo izy dia nirona hanao ny ratsy ary tsy manan-kery hanao ny tsara.

Araka izany dia misy „bug” tokoa, nefa tsy hatramin’ny fahatorontoronina, fa nony nanota ny olombelona voalohany. Ny ota dia mitarika antsika ho amin’ny „filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao” (1 Jaona 2:16). Io filana io no manosika antsika ho amina fiankinan-doha (hanina, firaisana ara-nofo, fahefana, fahalianana amin’ny zava-dratsy, sns.). Io koa no mandrisika antsika hanatanteraka ireo faniriantsika sy tsy hiraharaha izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra.

Asehon’ny Baiboly fa ny olombelona dia tsy mahalevona io „bug” io. Andriamanitra kosa dia manana ny vahaolana. Tonga avy any an-danitra Izy, tao amin’i Jesosy Kristy, tsy hoe hanamboatra ilay „bug”, fa hanome antsika toetra vaovao, velomin’ny Fanahiny Masina, toetra mahatanteraka ny fihevitr’Andriamanitra. Io fihavaozana io dia fahasoavana omena ireo rehetra tsy te hiaina ao anatin’ny ratsy intsony sy mitoky amin’i Jesosy Kristy.